LANONANA FANKALAZANA NY JOBILY VOLAMENA – FAHA 50 TAONAN'IFIRP ANALAMANGA

Nankalazaina androany 21 Aogositra 2026 ny lanonana manamarika ny faha-50 taonan’ny IFIRP Analamanga, ivon-toerana manana anjara toerana lehibe amin’ny fampiofanana ireo mpiasan’ny fahasalamana eto Antananarivo, fa indrindra eto Madagasikara.

Nandritra izay dimampolo taona izay, dia manodidina ny 3 000 ireo paramédicaux efa voaofana, ka maro amin’izy ireo no miasa eny amin’ireo tobim-pahasalamana sy fikambanana misehatra amin’ny fahasalamana manerana ny Nosy, hatrany ivelany.

Amin’izao Jobily Volamena izao, ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, tarihin-dRamatoa Minisitra Dr. MANAGNA Monira, dia maneho fankasitrahana sy fisaorana ireo tompon’andraikitra nifandimby, mpampianatra sy mpanabe, mpiasa ary mpiara-miombon’antoka rehetra, izay samy nandray anjara tamin’ny fampandrosoana sy fanandratana ity ivon-toerana fampiofanana ity.

Manoloana ireo fanamby vaovao eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, dia mitohy ny ezaka amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampiofanana, fanavaozana ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana, fampidirana teknolojia vaovao ary fanamafisana ny fikarohana sy ny fiaraha-miasa.

Tsy fijerena ny lasa ihany ny Jobily Volamena, fa fotoana hibanjinana ny ho avy ihany koa, satria ny fananana mpiasan’ny fahasalamana voaofana sy matihanina dia anisan’ireo singa lehibe ho fanatanterahana ny vina napetraky ny Fitondram-panjakana amin’ny fanolorana tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao ho an’ny isam-batan’olona.

Tao anatin’ny lanonana fankalazana androany dia nisy ny fanolorana mari-boninahitra ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana, teo ambany fitarihan’Andriamatoa Mpikambana ao amin’ny Filankevitry ny Mari-boninahim-pirenena, Vice-Amiral RAKOTOARISOA Marie Jean Lucien. Nanome voninahitra ny fotoana ihany koa Andriamatoa Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Profesora RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy (MESUPRES), sy Ramatoa Tale Jeneralin’ny Ivon-toeram-pirenena momba ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Fahasalamana eny ifotony, Profesora RAVAOARISOA Lantonirina (INSPC), ary ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Amin’ny alalan’ny fandavan-tena sy fanolorana ny traikefa ary ny fahaiza-manao ho an’ny mpianatra ao amin’ny IFIRP Analamanga no itondrana ny fisaorana ho an’ireo mpiara-miasa rehetra ao amin’ny IFIRP Analamanga. Arahabaina ianareo nandray ny Mari-boninahim-pirenena ary mankahery anareo rehetra amin’ny adidy sy andraikitra miandry ho an’ny fahasalamam-bahoaka.

Arahabaina tratry ny Jobily Volamena, IFIRP Analamanga!

Mirary fahombiazana hatrany ary mirary 50 taona manaraka feno fanavaozana sy zava-bita lehibe!

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny fitaleavana ny Serasera 21-août-2026