Fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana

FIHAONAMBEM-PIRENENA ANDIAN’NY FAHA-20, ETO AMIN’NY RANOMASIMBE INDIANINA

ANTANANARIVO, CCI IVATO, IVON'NY FIHAONAMBEM-PIRENENA ANDIAN’NY FAHA-20, ETO AMIN’NY RANOMASIMBE INDIANINA, MANOMBOKA ANIO 22 KA HATRAMIN'NY 24 OKTOBRA 2024

Teo ambany fiahian’ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, Ramatoa Mialy RAJOELINA, sady notronin’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Profesora Zely Arivelo RANDRIAMANANTANY, dia nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny 22 Octobra 20224 teny amin'ny CCI Ivato ny Fihaonambe faha-20 momba ny VIH/SIDA eto amin'ny Ranomasimbe Indianina (20ème Colloque du VIH et du SIDA de l’Océan Indien) izay naharitra   telo andro . 

Anisan’ny politika ankapoben’ny fitondram-panjaka ny fijerena ny maha-olona, Zava-dehibe amin'Andriamatoa Filoham-pirenena, Andry RAJOELINA ny fahasalaman’ny vahoaka izay antoky ny fampandrosoana maharitra ho an'ny firenena ka tsy natao ambanin-javatra izao hetsika izao. 

Hifampizara traikefa sy ihara hamolavola fomba fiasa mahomby amin’ny ady amin’ny VIH/SIDA ireo mpandray anjara .

Hisongadina ihany koa ny fampivoarana ny sehatry ny fahasalamana amin’ny fampiasana teknolojia nomerika, izay hanatsarana ny fandraisana an-tanana sy hampitomboana ny kalitaon’ny fitsaboana, indrindra amin'ny alalan’ny fampiasana teknolojia avo lenta.

Nanome voninahitra ny lanonana ireo mpikambana maromaro avy ao amin'ny Governemanta, ny avy tao amin'ny Antenimieram-pirenena, ny olomanankaja, ireo mpiaramiombon-antoka ary ireo fikambanana maro.

SCM/DIRCOM 22-oct.-2024

Zoom sur

Nos autres Activités