FITOKANANA NY TRANO FANDIDIANA (BLOC OPÉRATOIRE) CHRD BELO SUR TSIRIBIHINA
Tontosa ny fanokafana ofisialy ny trano fandidiana sy trano fitobian’ny marary avy nodidiana (Bloc Opératoire et salle des post-opérés) ho an’ny CHRD Belo sur Tsiribihina, dingana lehibe iray ho fanatsarana sy fanamafisana hatrany ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny mponina.
Ity fotodrafitrasa ity dia hanampy amin’ny fanakaikezana ny fitsaboana ara-pandidiana sy ny fanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo marary ao amin’ny Distrikan’i Belo sur Tsiribihina, ka hanala ny fahasahiranana ara-pahasalamana ho an’ny vahoakan’i Belo, satria eritreretina ho vita eto avokoa ireo hamehana ara-pahasalamana mila fandidiana, ka tsy voatery halefa ivelan’ny Distrika intsony.
Fotodrafitrasa ahitana trano roa manaraka ny fenitra takian’ny fandrindrana nasionalin’ny hopitaly eto Madagasikara no mijoro ao :
- Trano miisa roa, ka ny iray dia trano fandidiana izay ahitana efitra valo sy toeram-pidiovana ary fanadiovana fitaovana, ary trano iray ahitana efitra roa sy fandriana misy kidoro miisa valo natokana ho an’ireo marary avy nodidiana.
- Efa misy herinaratra sy rano araka ny tokony ho izy.
- Efa vonona avokoa ny fitaovana rehetra.
- Efa eo ihany koa ny mpiasa hampihodina ity fotodrafitrasa ity, izay tarihin’i Dr. ERNEST RAHARISON.
- Misy ihany koa ireo kojakoja samihafa : sarom-pandriana, bodofotsy, serviettes, fitaovana fanadiovana trano, sns.
Ny lanonana fanokanana dia notanterahina teo ambany fiahian-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Docteur MANAGNA Monira, izay nandefa ny fialantsininy noho ny tsy fahafahany ka naniraka ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Menabe hisolotena azy.
Ity farany, raha nandray fitenenana, dia nanolotra fisaorana ny Fitondram-panjakana, ireo manam-pahefana isan’ambaratongany notarihin’Andriamatoa Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny Distrikan’i Belo sur Tsiribihina, izay nanamora ny dingana rehetra, ireo mpiasan’ny Fahasalamam-bahoaka rehetra ao Belo sur Tsiribihina izay tarihin’Andriamatoa Médecin Inspecteur, ary indrindra ny Fianakaviana MOLOU izay tompon’antoka tamin’izao fananganana fotodrafitrasa izao.
Nanome voninahitra ny lanonana fanokafana sy nitarika izany Andriamatoa SAORY Christian, Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao amin’ny Distrikan’i Belo sur Tsiribihina, sy ny Lehiben’ny Distrikan’i Belo sur Tsiribihina, notronin’ireo manam-pahefana isan’ambaratongany, izay nahitana ny Mpanolotsaina Ara-teknikan’ny Faritra Menabe nisolotena ny Lehiben’ny Faritra, ny Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina tao Menabe, ny Ben’ny Tanàna ao an-drenivohitr’i Belo sur Tsiribihina ary ireo manam-boninahitra sivily sy miaramila.
Isaorana ireo tompon’andraikitra, mpiara-miombon’antoka ary ireo mpiasan’ny fahasalamana rehetra tamin’ny ezaka sy ny fiaraha-mientana nahatontosana izao zava-bita lehibe izao.
Bloc Opératoire vaovao, dingana vaovao ho an’ny fahasalamana ao Belo sur Tsiribihina.
Ho an’ny fahasalamam-bahoaka hatrany.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary : DRSP MENABE - COMM. 22-août-2026