HETSIKA SOSIALY FITSABOANA NIFY MAIMAIMPOANA – FIARAHA-MIASA ANDIANY FAHA-2 AMIN’NY FIKAMBANANA DENTAIRE MALGACHE SY MOUVEMENT MCCP FENERIVE-EST
19 Aogositra – 7 Septambra 2026
Mpianatra 12 mianadahy, taona faha-5 ao amin’ny UFR Clermont-Ferrand – France, miaraka amin’ny mpampianatra 2 ary manam-pahaizana manokana momba ny prothèse 2, no tonga manao iraka fitsaboana nify ao amin’ny Faritra Analanjirofo.
FANDAMINANA NY HETSIKA :
19 – 25 Aogositra 2026
Mahambo sy Fenerive-Est
27 – 31 Aogositra 2026
Sainte-Marie
1 – 7 Septambra 2026
Soanierana Ivongo
Tanjona amin’ity fiaraha-mientana ity ny hanatsarana ny fahazoan’ny mponina fitsaboana nify sy ny ati-vava, indrindra ireo mila fitsaboana sy fikarakarana manokana.
Mankasitraka ireo mpiara-miombon’antoka, ireo mpampianatra, ireo manam-pahaizana ary ireo mpianatra amin’ny ezaka sy ny fandraisana anjara amin’ny fanatsarana ny fahasalaman’ny vahoaka. Tsy adino ihany koa ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Analanjirofo.
Miaraka ho an’ny fahasalaman’ny nify sy ny vahoaka eto Analanjirofo.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera. DRSP ANALANJIROFO - COMM 24-août-2026