MADAGASIKARA AO ANATIN’NY VANIM-POTOANA VAOVAO HO AN’NY FAHASALAMANA ATY AFRIKA
Addis-Abeba, 25 Aogositra 2026
Nandray anjara tamin’ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Fivoriana faha-76, Komity Faritra Afrika (RC76) an’ny Vondrona Iraisam-pirenena misahana ny Fahasalamana, izay natao tao amin’ny Mémorial de la Victoire d’Adwa, tao Addis-Abeba, Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira.
Notarihin’Andriamatoa Taye Atske Selassie, Filohan’ny Repoblika Federalin’i Etiopia, ny lanonana, izay nanangona ireo tompon’andraikitra ambony indrindra amin’ny fahasalamana sy ny diplaomasia aty Afrika, anisan’izany ny Dr. Tedros Adhanom Ghebreyesus, Tale Jeneralin’ny OMS, ny Prof. Mohamed Yakub Janabi, Tale Faritra OMS ho an’i Afrika, ny Médecin-Colonel Assa Badiallo Touré, Filohan’ny Fivoriana faha-75 ny Komity Faritra Afrika sady Minisitry ny Fahasalamana ao Mali, ny Dr. Mekdes Daba, Minisitry ny Fahasalamana Etiopiana, ary Andriamatoa Mahmoud Ali Youssouf, Filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona Afrikanina.
Ho amin’ny fiandrianam-pirenena ara-pahasalamana afrikanina,
Ny hafatra lehibe nivoitra nandritra ity lanonana ity dia ny filàna fanovana lalina ny fomba iatrehan’i Afrika ny olana ara-pahasalamana, ka hifindra avy amin’ny fiankinana amin’ny fanampiana ivelany ho amin’ny fiandrianam-pirenena ara-pahasalamana, izay i Afrika mihitsy no manana andraikitra lehibe amin’ny famolavolana, famatsiana ary fanatanterahana ny vahaolana.
Nohamafisin’ny Filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona Afrikanina fa :
« Tsy afaka misolo ny fananana ny fiaraha-miombon’antoka. »
Izany dia mametraka mazava ny filàna hampitomboana ny famokarana eo an-toerana ny fanafody sy ny vaksiny, hanamafisana ny famatsiam-bola avy amin’ny loharanom-bola afrikanina, ary hampitomboana ny fahafahan’ireo firenena mamaly samirery ireo filàna ara-pahasalamana maika.
Nohamafisin’ny Filohan’i Etiopia ihany koa fa ny toko vaovao amin’ny fahasalamana aty Afrika dia tsy maintsy miorina amin’ny fampiraisana fa tsy fizarazarana, ary amin’ny hetsika azo tsapain-tanana fa tsy amin’ny teny fotsiny.
Laharam-pahamehana iombonana ho an’i Afrika,
Ao anatin’ny RC76 dia anisan’ireo lohahevitra lehibe hodinihina :
- Fiarovana ara-pahasalamana sy fiomanana amin’ny vonjy taitra, ao anatin’izany ny fahafahana mamantatra haingana ireo loza ara-pahasalamam-bahoaka sy ny fampiharana ireo fanitsiana ny « Règlement sanitaire international » ;
- Fiandrianam-pirenena sy famatsiam-bola maharitra, indrindra amin’ny famokarana fanafody sy vaksiny eto an-toerana ary ny fampitomboana ny loharanom-bola anatiny ho an’ny fahasalamana ;
- Mpiasan’ny fahasalamana, amin’ny alalan’ny paikady 2026–2035 momba ny fandrindrana, fanofanana, fandraisana ary fitazonana ireo mpiasan’ny fahasalamana ;
- Fahasalamana ara-pananahana, fahasalaman’ny reny, zaza ary tanora, amin’ny fanamafisana ny rafitra sy ny tolotra ara-pahasalamana tena ilaina ho azy ireo ;
- Fahazoan’ny rehetra ny tolotra ara-pahasalamana, ho amin’ny « Couverture Sanitaire Universelle », ary fanatsarana ny fahazoana ra azo antoka, ny fanarenana ara-pahasalamana ary ny fahasalamana am-bava ;
- Fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny rafitra afrikanina, mba hahafahan’i Afrika mamaly haingana, mirindra ary mahaleo tena ireo valanaretina sy ny vonjy taitra ara-pahasalamana.
Ny lanjan’ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara
Ao anatin’izany tontolo stratejika izany, ny fandraisan’anjaran-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka dia manana lanja ara-diplomatika sy ara-pahasalamam-bahoaka lehibe ho an’i Madagasikara.
Tsy fandraisana anjara amin’ny fivoriana iraisam-pirenena fotsiny izy ity, fa sehatra iray hametrahana ny feon’i Madagasikara ao anatin’ny famaritana ny hoavin’ny fahasalamana aty Afrika.
Ny RC76, noho izany, dia fotoana iray lehibe hanamafisan’i Madagasikara ny toerany ao anatin’ny « vanim-potoana vaovao ho an’ny fahasalamana eto Afrika » : Afrika iray, miray hina, mahavita tena, manana rafitra ara-pahasalamana matanjaka, ary afaka mamolavola vahaolana mifanaraka amin’ny zava-misy sy ny filàn’ny vahoakany.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary : DVSSER - DSFA. 25-août-2026