FANATSARANA NY FAHASALAMAN’NY RENY SY NY ZAZA : Manamafy ny fiaraha-miasa amin’ny Susan Thompson Buffett Foundation (STBF) i Madagasikara

Isan’ireo laharam-pahamehan’ny Fitondram-panjakana Malagasy ny fampihenana ny fahafatesan’ny reny sy ny zaza vao teraka, ary ny fanatsarana ny fanomezana tolotra ara-pahasalamana ara-pananahana tsara kalitao.

Mifandraika amin’izany indrindra dia nisy ny fihaonana teo amin’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, sy ny Filoha Lefitry ny Susan Thompson Buffett Foundation (STBF), Prof. Senait FISSEHA, ny 25 Aogositra 2026, nandritra ny RC76 tany Addis-Abeba.

Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ho an’ny fahasalaman’ny reny, ny zaza vao teraka ary ny fahasalamana ara-pananahana ny dinika.

Anisan’ny ezaka apetrak’i Madagasikara ny famerenana amin’ny laoniny ny fiasan’ireo tobim-pahasalamana, ny fanamafisana ny fandraisana an-tanana ireo reny sy zaza vao teraka, ary ny fanatsarana ny rafitra fanaraha-maso ny fahafatesan’ny reny sy ny zaza, mba hahafahana manamafy ny fisorohana. Hamafisina ihany koa ny fahaiza-manaon’ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny fisian’ireo fitaovana ilaina.

Naneho ny fahavononany hanamafy ny fiaraha-miasa ny roa tonta, ary tanjona iraisana ny hahazoan’ny reny sy ny zaza tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao, azo antoka ary manaja ny zo.

Ho an’ny STBF, ny fanohanana dia hifototra indrindra amin’ny fanamafisana ny fitantanana sy ny fahaiza-manaon’i Madagasikara, amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa mivantana amin’ny Governemanta, mba hahazoana vokatra maharitra.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny fitaleavana ny Serasera . Sary : DSFA 26-août-2026