FANAMAFISANA NY FIARAHA-MIASA EO AMIN’NY SEHATRY NY FAHASALAMANA, NANDRITRA NY FIVORIANA FAHA-76 NY KOMITY FARITRA AFRIKA AN’NY VONDRONA IRAISAM-PIRENENA MISAHANA NY FAHASALAMANA
Nandray anjara tamin’ny lanonana fanomezam-boninahitra sy fisaorana ny Profesora Senait Fisseha, izay natao tao amin’ny Foiben’ny Africa CDC, Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka.
Nisy ny fifanakalozan-kevitra nataon-dRamatoa Minisitra niaraka tamin’ny Profesora Senait Fisseha sy ny Tale Jeneralin’ny Africa CDC.
Ny Profesora Senait Fisseha dia isan’ireo olo-malaza afrikanina manana traikefa sy fandraisana andraikitra lehibe, indrindra eo amin’ny fahasalamana ara-pananahana, ny zon’ny vehivavy, ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy, ny fanofanana ara-pitsaboana ary ny fanamafisana ny fitarihana afrikanina.
Nifantoka indrindra tamin’ny laharam-pahamehan’i Madagasikara eo amin’ny fahasalamana ara-pananahana, ny fanamafisana ny fahaiza-manao ary ny haitarika nasionaly ireo fifanakalozan-kevitra.
Nisokatra tamin’izany ny fahafahana hanamafy ny fiaraha-miasa sy hisitraka fanohanana mivaingana ho an’i Madagasikara.
Nitsidika ihany koa ny Foibe misahana ny Fandrindrana ny Hamehana (Emergency Operations Center) an’ny Africa CDC Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Anisan’ireo ivon-toerana lehibe eto amin’ny kaontinanta afrikanina izy io, misahana ny fibaikoana sy ny fandrindrana ny fitantanana ireo hamehana ara-pahasalamana.
Izany fitsidihana izany dia nahafahana nahafantatra misimisy kokoa ny rafitra fanaraha-maso, ny fandrindrana ary ny famaliana ireo hamehana ara-pahasalamana eo anivon’ny kaontinanta Afrikana.
Nahafahana nampitaha ihany koa ny traikefa sy ny fahaiza-manao ampiasain’ny Africa CDC amin’ireo ezaka ataon’i Madagasikara amin’ny fanamafisana ny rafitra nasionaly misahana ny fitantanana ny hamehana ara-pahasalamana. Ireo fifanakalozana nandritra ny fihaonana tamin’ireo tompon’andraikitra dia nahafahana nanamafy sy hampivelatra ny fiaraha-miasa ho fanamafisana ny fiarovana ara-pahasalamana eto Madagasikara sy aty amin’ny Faritra Afrika.
Tombontsoa lehibe ho an’i Madagasikara ny fitsidihana ny Africa CDC, satria nahafahana nanamafy ny fiaraha-miasa sy ny fampiasana ny fahaiza-manao afrikanina mba hanamafisana maharitra ny fahasalamana ara-pananahana, ny fahaiza-manao nasionaly ary ny fiarovana ara-pahasalamana eto amin’ny firenena.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary: DVSSER. 27-août-2026