FANAMAFISANA NY FIARAHA-MIASA EO AMIN’I MADAGASIKARA SY NY MERCY SHIPS
Nihaona sy nifampidinika tamin’Andriamatoa Talen’ny Diplaomasia eo anivon’ny Mercy Ships International, Jonathan ZIEHLI, i Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira.
Tamin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy manontolo, Ramatoa Minisitra dia naneho ny fankasitrahana feno an’ity fikambanana iraisam-pirenena ity noho ireo asa sy fitsaboana maro efa notanterahiny teto amin’ny firenena, izay nitondra fanatsarana mivaingana ho an’ny fahasalamana sy ny fari-piainan’ny mpiray tanindrazana.
Ireo hevi-dehibe nivoitra tamin’ny fihaonana :
Fanoloran-tenan’ny Governemanta Malagasy : fanomezan-toky ny amin’ny fanohizana sy fanamafisana ny fiaraha-miasa, ary ny fanomezana ny fanohanana rehetra ilaina mba hahatontosa an-tsakany sy an-davany ny iraka ataon’ny Mercy Ships eto Madagasikara.
Fanohizan’ny Mercy Ships ny asany : fahavononan’ny Mercy Ships hanohy ny fanohanana sy ny fandidiana maimaimpoana amin’ny alalan’ny Fifanarahana Fametrahana Foibe (Accord de siège), mifanaraka tanteraka amin’ireo laharam-pahamehana sy vinan’ny Governemanta Malagasy.
Mandroso hatrany ny fiaraha-miombon’antoka ho fitsinjovana ny fahasalaman’ny Malagasy rehetra.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny fitaleavana ny Serasera.Sary: Mercy Ships 28-août-2026