MADAGASIKARA – FÉDÉRATION DE RUSSIE : MANAMAFY NY FIARAHA-MIASA EO AMIN’NY SEHATRY NY FAHASALAMANA
Nandritra ny fihaonana bilateraly teo amin’i Madagasikara sy ny Federasionan’i Rosia, nandritra ny RC76 tany Addis-Abeba, dia nohamafisina ny fahavononan’ny roa tonta hanamafy sy hampivelatra hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny Fanavaozana izao.
Nankasitrahan’i Madagasikara manokana ny fanohanana efa natolotry ny Federasionan’i Rosia teo amin’ny fanamafisana ny fiarovana ara-pahasalamana, ny fanaraha-maso sy ny fanadihadiana momba ny areti-mifindra, ny laboratoara sy ny fitaovana fitiliana, ary koa ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana manakaiky vahoaka.
Ankehitriny, mikendry ny hampiditra sehatra teknika mivaingana kokoa ao anatin’ity fiaraha-miasa ity ny roa tonta.
Tafiditra ao anatin’izany ny :
-
Fanavaozana sy fanamafisana ny Services d’Accueil, de Triage et d’Urgence (ATU) ;
-
Fanamafisana ny rafitra fandraisana sy fandrindrana ny antso amin’ny hamehana;
-
Fananganana sy fampandehanana ny Équipes Médicales d’Urgences Nationales (EMU) ;
-
Fampandrosoana ny foibe fitiliana sy fitsaboana ny homamiadana any amin’ireo Faritra telo : Atsimo, Afovoany ary Avaratra;
-
Fanofanana manokana sy fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpiasan’ny fahasalamana;
-
Fanomezana fitaovana biomédicaux sy fitaovana manokana ho an’ny vonjy taitra sy ny fameloman’aina (réanimation);
-
Fanarenana sy fanatsarana ireo fotodrafitrasa natokana ho an’ny fandraisana sy fanasokajiana ireo marary mila vonjy taitra.
Dingana lehibe ihany koa ny fandrosoan’ny dingana mankany amin’ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa (Mémorandum of Understanding) eo amin’i Madagasikara sy ny Federasionan’i Rosia eo amin’ny sehatry ny fahasalamana.
Efa nanamafy i Madagasikara fa tsy manana fanoherana amin’ny tolo-kevitra natolotry ny Federasionan’i Rosia, ary manaiky ireo laharam-pahamehana toy ny fikarohana iarahana, ny fampivoarana fitaovana fitiliana (diagnostique) sy fiarovana (prophylactique), ny fanohanana ara-teknika sy metodolojika, ny fifanakalozana vaovao ara-tsiansa ary ny famindrana fahaiza-manao.
Ny fandrosoan’ity dingana ity dia hanome fototra ara-drafitra sy ara-teknika matanjaka ho an’ny fiaraha-miasa maharitra eo amin’ny firenena roa tonta, ary hahafahana mamadika ny fiaraha-miasa ho lasa hetsika mivaingana ho tombontsoan’ny fahasalamam-bahoaka.
Madagasikara sy ny Federasionan’i Rosia : manamafy ny fiaraha-miasa, mampivelatra ny sehatra iombonana, ary manangana rafitra ara-pahasalamana matanjaka sy mahazaka ireo hamehana.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny fitaleavana ny serasera. Sary : DVSSER 28-août-2026