FANAMAFISANA NY FIARAHA-MIASA EO AMIN’I MADAGASIKARA SY NY FANJAKAN’I QATAR EO AMIN’NY SEHATRY NY FAHASALAMANA
Addis-Abeba, RC76 — Tao anatin’ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny Fivoriana faha-76 ny Komity Faritra Afrika an’ny OMS (RC76), dia nihaona tamin’i Her Excellency Dr. Hanan Mohamed Al Kuwari, Mpanolotsaina ny Praiminisitra ao amin’ny Fanjakan’i Qatar misahana ny Fahasalamam-bahoaka, Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira.
Nifantoka tamin’ny fifanakalozana traikefa sy fahaiza-manao momba ny fanatsarana sy fanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana ny dinika, indrindra tao anatin’ny toe-javatra izay ahitana krizy ara-pahasalamana sy fanamby ara-politika. Fotoana iray lehibe ihany koa izany hianarana avy amin’ny traikefan’i Qatar amin’ny fanamafisana ny rafitra sy ny fitantanana ara-pahasalamana ary ny fahafahan’ny firenena miatrika toe-javatra sarotra.
Nandritra ny fihaonana dia noresahina ihany koa ny fahafahana manangana fiaraha-miasa vaovao eo amin’i Madagasikara sy Qatar, indrindra amin’ny sehatry ny :
- Fahasalaman’ny reny sy ny zaza vao teraka ;
- Fahasalaman’ny zaza ;
- Fanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana mba hahafahana manatsara hatrany ny kalitaon’ny tolotra omena ny reny sy ny zaza.
Ao anatin’izany, dia nojerena ny fahafahana mametraka Protocole d’Accord (Memorandum of Understanding – MoU) eo amin’i Madagasikara sy ny Fanjakan’i Qatar, izay afaka mametraka ny fototra ara-drafitra ho an’ny fiaraha-miasa maharitra eo amin’ny firenena roa tonta.
Manana lanja lehibe ho an’i Madagasikara ity fihaonana ity, satria manokatra làlana vaovao ho amin’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena mifototra amin’ny fifanakalozana traikefa, ny fampitana fahaiza-manao ary ny fanamafisana ny fahafahan’ny firenena.
Ny tanjona dia mazava : hametraka fiaraha-miasa mivaingana sy maharitra ho fanatsarana ny fahasalaman’ny reny, ny zaza vao teraka ary ny ankizy, ary ho fanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana eto Madagasikara.
Madagasikara manamafy ny diplaomasia ara-pahasalamana ary manokatra fiaraha-miasa vaovao ho tombontsoan’ny fahasalaman’ny vahoaka.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary : DSFA 28-août-2026