FIARAHA-MIASA MANERAN-TANY HO AN’NY FAMONGORANA NY TAZOMOKA ETO MADAGASIKARA

Mbola vesatra lehibe ho an’ny fahasalamam-bahoaka sy ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara ny tazomoka.

Mba hiatrehana izany sy hahatratrarana ny tanjona amin’ny famongorana tanteraka ity aretina ity, dia mitana anjara toerana lehibe ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena sy maneran-tany.

Teto Addis-Abeba, nandritra ny Fivorian’ny Komity Rezionalin’ny OMS andiany faha-76 (RC76), ny 27 Aogositra 2026, dia nihaona sy nifampidinika Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, sy ny Tale Jeneralin’ny Roll Back Malaria (RBM), Dr. Michael Adekunle Charles.

Ireo hevi-dehibe nivoitra tamin’ny fihaonana :

  • Fanamafisana ny fiaraha-miasa;
  • Fampitomboana ny ezaka sy ny fifanomezan-tanana eo amin’i Madagasikara sy ny RBM amin’ny ady amin’ny tazomoka;
  • Fanatanterahana ny Paikady Nasionaly momba ny Ady amin’ny Tazomoka.

Tanjona iraisana : fanafainganana ny dingana rehetra mankany amin’ny fanafoanana tanteraka ny tazomoka eto amin’ny Nosy.

Ny fahasalaman’ny vahoaka no laharam-pahamehana.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera. 29-août-2026