CHU-JRA : MISOKATRA NY TOLOTRA SCANNER !
Faly mampahafantatra ny besinimaro fa efa misokatra ary mandeha tsara ny tolotra Scanner ao amin’ny Service d’Imagerie Médicale ato amin’ny CHU-JRA.
Ity fitaovana ity dia ahafahana manatanteraka fitiliana ara-pitsaboana amin’ny alalan’ny teknolojia maoderina, ka manamora ny fikarakarana sy ny fitsaboana ireo marary mila izany.
Maneho fankasitrahana feno ho an’ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, izahay noho ny fanohanana sy ny ezaka hatrany amin’ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana.
Isaorana manokana ihany koa ny ekipa rehetra ao amin’ny Service d’Imagerie Médicale.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary : COM - CHU-JRA 29-août-2026