Fijerena ny maha-olona
Octobre Rose 2024: Ady amin’ny Homamiadan’ny Nono sy ny Vozon’ny Tranon-jaza

Ny filohan’ny Repobilika Andry RAJOELINA dia manome lanja manokana ny fahasalaman’ny vehivavy, loharano sy fototry ny taranaka, ary maneho izany amin’ny alalan’ny tohana feno ho an'ny hetsika “Octobre Rose 2024”.
Manatanteraka ny Politika ankapoben’ny fanjakana mifanandrify amin’izay ny Ministeran’ny fahasamama-bahoaka izay tarihin’ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo.
Ny Zoma 25 Oktobra 2024 no natao ny fanamarihana ny fankalazana ofisialy ny iray volana ho an’ny ady amin’ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza tao amin’ny Centre Manantenasoa AKAMASOA. Ity hetsika ity dia narahana fitiliana maimaim-poana, fanentanana, ary tolotra ara-pahasalamana mifandraika indrindra amin’ny fahasalaman’ny vehivavy.
Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny fahasalamam-bahoaka nandritra ity lanonana fankalazana ity ny Tale Jeneraly ny INSPC, Dr SAHONDRANIRINA Hanitriniala Pâquerette .
Lohahevitra amin'ity taona ity ny hoe “Toheriko ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza.”.Hiara-mientana isika miady amin’ity aretina ity ho fiarovana ny aina sy ny ho avin’ny Malagasy!
#OctobreRose2024 #MiadyAminNyhomamiadana #FiarovanaNyVehivavy #Ministeran’ny fahasamam-bahoaka #DLMNT #Drsp Analamanga #Fondation Akbaraly #ONG vita perte
SCM/DIRCOM 25-oct.-2024
Actualités
Nos recents Actualités
Zoom sur
Nos autres Activités
Lever de Drapeaux
18-nov.-2024ankon'ny fananganan-tsaina

Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, ny Tale Jeneraly misahana ny Tolotra...
Thème du mois
Andro Manerantany Iadiana amin'ny VIH/SIDA

Manan-danja ny lanonana tamin’ity taona ity, notronin’ny Minisitrin’ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo,...
Evenement
07-avril-2025FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FAHASALAMANA 2025

"Fahasalamana mandritra ny fiterahana, miantoka ny ho avy feno fanantenana " izany no lohahevitra noentina nankalazana ny Andro manerantany ho an'ny...
Mendrika Izy
NOMENJANAHARY VOLOLONIAINA MICHELLE

izay 9 (sivy) taona niasana tao amin'ny CSB2 Bekoratsaka. Vehivavy mamy hoditra eo amin'ny fiaraha-monina ary hita taratra izany eo amin'ny...