FANAMAFISANA NY FIAROVANA SY NY FANARAHA-MASO ARA-SAKAFO : FAMARANANA NY TETIKASA NIARAHANA TAMIN’NY FAO (Food and Agriculture Organization of the United Nations)
Anisan’ny laharam-pahamehan’ny Fitondram-panjakana, tarihin’Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, Kôlonely RANDRIANIRINA Michaël, ny fiarovana sy ny fanatsarana ny fahasalaman’ny vahoaka amin’ny alalan’ny fanolorana ireo tolotra tsara kalitao mifanaraka amin’ny filàn’ny vahoaka.
Manana anjara toerana lehibe amin’ny fiarovana ny fahasalaman’ny Malagasy ny fanaraha-maso ny kalitao sy ny fiarovana ara-tsakafo. Araka ny lalàna manan-kery eto Madagasikara, ny Sampan-draharaha misahana ny fanaraha-maso ny fiarovana ara-pahasalamana sy ny kalitaon’ny sakafo (ACSSQDA) no misahana ny fandrindrana sy ny fanaraha-maso ny asa fanadihadiana momba ny kalitao sy ny fiarovana ara-tsakafo eto amin’ny firenena, na ireo vokatra eto an-toerana izany na ireo avy any ivelany. Mandray anjara amin’ny fitiliana ihany koa izy raha misy tranga ahiahiana ho fanapoizinana ara-tsakafo.
Tontosa ny lanonana famaranana ny Tetikasa niarahana tamin’ny mpiara-miombon’antoka, ny Organisation des Nations Unies pour l’Alimentation et l’Agriculture (FAO). Fotoana iray nanamarihana ny fizarana ireo vokatra lehibe azo tao anatin’ny fanatanterahana ny Tetikasa « Assistance Technique au contrôle de la qualité et du suivi de la sécurité sanitaire des aliments » (Projet TCP/MAG/4001).
Nanome voninahitra izany lanonana izany Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira. Nanatrika izany ihany koa Andriamatoa M. Aloys NIZIGIYIMANA, Solontena mpisolo toerana ny Fikambanana misahana ny Sakafo sy ny Fambolena ao amin’ny Firenena Mikambana (FAO), notronin’ireo tompon’andraikitra ambony teo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny FAO, ary ireo mpiara-miasa rehetra avy ao amin’ny ACSSQDA.
Nandritra ity hetsika ity no nanaovan-dRamatoa Minisitra fitsidihana ny laboratoara ACSSQDA, nahafahana nijery ireo fitaovana vaovao sy ireo fotodrafitrasa an-dalam-pahavitana ho an’ny laboratoara. Izany rehetra izany dia fepetra lehibe amin’ny fanatanterahana ny asa fanadihadiana ireo singa ao anatin’ny sakafo atao ao amin’ity toerana ity. Vokatr’izany, ny tanjona dia ny hahazoana valim-pitiliana mifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena.
Ho fanohanana sy fanatsarana ny asa, dia tafiditra tao anatin’ity Tetikasa ity ny fampitaovana, anisan’izany ny HPLC-FLD (Chromatographie en phase liquide à haute performance couplée à un détecteur de fluorescence), ny bain à sec ary ny onduleur. Teo ihany koa ny fanolorana fiofanana ho an’ireo mpisehatra voakasika, ahitana teknisiana laboratoara 11 avy ao Antananarivo sy Toamasina, izay nifantoka tamin’ny fenitra ISO 17025, ny teknika fakana sy fandinihana ny mycotoxines sy ny vanilline, ary ireo fomba fanao mifandraika amin’ny fitrandrahana sy ny fanadihadiana ara-tsiansa.
Nanamafy ny mpiara-miombon’antoka fa hitohy hatrany ny fiaraha-mientana sy ny fiaraha-miasa amin’ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ho fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny rafitra miaro ny Malagasy tsivakivolo, indrindra ny fitandrovana ny fahasalamam-bahoaka eo amin’ny sehatry ny sakafo.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavan’ny Serasera 31-août-2026