MIDITRA AMIN’NY FANAMAFISANA NY FANARAHA-MASO ARA-PAHASALAMANA I MADAGASIKARA
Dingana lehibe ny nankatoavana androany ny Drafitra Stratejika Nasionaly momba ny Fanaraha-maso ny Fahasalamam-bahoaka « Plan Stratégique National de Surveillance de la Santé Publique (PSNSSP) ».
Anisan’ny fototra lehibe iorenan’ny fiarovana ara-pahasalamana ny fanaraha-maso ny fahasalamam-bahoaka, ahafahana mamantatra mialoha ireo loza mitatao, manara-maso ny fivoaran’ireo loza na ambana ara-pahasalamana ary mandrindra haingana ireo fepetra fisorohana sy famaliana.
Atrikasa fankatoavana izay nampivondrona ireo tompon’andraikitra sy mpisehatra lehibe voakasiky ny fanaraha-maso ara-pahasalamana, ary koa ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fampiharana ny fomba fiasa « Fahasalamana Iray » (One Health).
Nanome voninahitra ny fotoana Andriamatoa Sekretera Jeneraly, Dr. RANDRIANAMBININA Ephraïm Stephanson, izay naneho mazava ny fahavononan’ny Minisitera hanamafy ny rafitra nasionaly momba ny fanaraha-maso ara-pahasalamana sy hametraka ny fiarovana ara-pahasalamana ho laharam-pahamehana.
Ho an’ny vahoaka, dia mivaingana ny tombontsoa azo avy amin’ity PSNSSP vaovao ity : ny fanamafisana ny fanaraha-maso ara-pahasalamana dia ahafahana mamantatra haingana ireo loza mitatao, miomana mialoha ary mamaly amin’ny fomba mahomby kokoa ireo ambana sy hamehana ara-pahasalamana.
Tondrozotra iray izay vokatry ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika, anisan’izany ny Tetikasa « DataFi », tohanan’ny Masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera. 01-sept.-2026