FISOROHANA NY TAZOMOKA : FIZARANA MAIMAIM-POANA LAY MISY ODIMOKA
Andry iankinan’ny fampandrosoana ny firenena ny fananana vahoaka salama. Ny filoham-pirenena Andry RAJOELINA dia nametraka ho politika ankapobeny ny fanjakana ny fijerena ny maha-olona.
Ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, tarihin’Andriamatoa Minisitra RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo , miaraka amin’ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny, dia manao ezaka lehibe amin’ny fanatanterahana izany tanjona izany .
Hanatsara ny kalitaon'ny fiainam-bahoaka tsy ankanavaka amin'ny fiarovana amin'ireo aretina azo sorohana dia nisy ny fizarana lay misy odimoka maimaim-poana ho an'ireo vahoaka amin'ny Faritra samihafa manerana ny Nosy
Aleo misoroka toy izay mitsabo.
#Ady @ tazomoka #minisiteran-ny-fahasalamam-bahoaka #aleo-misoroka
SCM/DIRCOM 28-oct.-2024