Fijerena ny maha-olona

FISOROHANA NY TAZOMOKA : FIZARANA MAIMAIM-POANA LAY MISY ODIMOKA

Andry iankinan’ny fampandrosoana ny firenena ny fananana vahoaka salama. Ny filoham-pirenena Andry RAJOELINA dia nametraka ho politika ankapobeny ny fanjakana ny fijerena ny maha-olona.

Ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, tarihin’Andriamatoa Minisitra RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo , miaraka amin’ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny, dia manao ezaka lehibe amin’ny fanatanterahana izany tanjona izany .

Hanatsara ny kalitaon'ny fiainam-bahoaka tsy ankanavaka amin'ny fiarovana amin'ireo aretina azo sorohana dia nisy ny fizarana lay misy odimoka maimaim-poana ho an'ireo vahoaka amin'ny Faritra samihafa manerana ny Nosy

Aleo misoroka toy izay mitsabo.

#Ady @ tazomoka #minisiteran-ny-fahasalamam-bahoaka #aleo-misoroka

SCM/DIRCOM 28-oct.-2024

Zoom sur

Nos autres Activités