FITONDRAM-PANJAKANA MIAHY NY VAHOAKA : FIAHIANA SY FANAMPIANA IREO NIHARAM-BOINA TAMIN'NY HAIN-TRANO TAO MANAKARA
Ny Fitondram-panjakana tarihin'Andriamatoa Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, Kôlonely RANDRIANIRINA Michaël, dia nametraka mazava ho ivon'ny paikady sy ny politikam-panjakana, ny fijerena ny maha olona amin'ny lafiny rehetra.
Manatanteraka izany am-pahamendrahana ny Governemantan'ny Fanavaozana, ka manoloana ny tranga fahamaizana trano maro tao amin'ny Fokontany Andranomavo, Kaominina Ambanivohitra Vatana, Manakara dia tonga nampahery ireo tra-boina ny delegasiona nahitàna ireo mpikambana vitsivitsy ao amin'ny Governemanta ny andron'ny 1 septambra lasa teo.
Anisan'ny nandrafitra izany delagasiona izany Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira.
Nandray ny delegasionina ireo Tompon'andraikitra sivily sy miaramila ary ny vahoaka avy ao amin'ny Faritra.
Mankahery ireo vahoaka niaran'izao loza sy fotoan-tsarotra izao ny Fitondram-panjakana ny amin'ny hoe "Tsy irery ianareo" fa mijoro miaraka aminareo ny Fanjakana, indrindra amin’ny fotoan-tsarotra ary tsara ny manamarika fa tsy nisy ny aina nafoy.
Ho mariky ny firaisankina sy ny fanohanana, dia nisy ny fanomezana fanampiana toy ny vary, menaka ary kojakoja ilaina an-davanandro ho an’ireo fianakaviana tra-boina, ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny BNGRC.
Ao anatin’ny fotoan-tsarotra tahaka izao, mety ho very ny fananana, mety ho rava ny trano, saingy tsy tokony ho very ny fanantenana.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera. DRSP FITOVINANY. 02-sept.-2026