MANAMAFY NY ASA SOSIALY SY ARA-PAHASALAMANA NY FIKAMBANANA FANJIRY
Andemaka – Vohipeno | Alarobia 02 Septambra 2026
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy tao Andemaka, Distrikan’i Vohipeno, Faritra Fitovinany ny hetsika sosialy niarahana tamin'ny Fikambanana FANJIRY. Nandritra izany dia nisitraka fitsaboana sy tolotra ara-pahasalamana isan-karazany ireo mponina teny an-toerana.
Nanatrika ny lanonana Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, niaraka tamin’ireo Minisitra vehivavy sy ireo Tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Ny fahatongavan’izy ireo dia nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-mientana ho fanatsarana ny fahasalamana sy ny fari-piainan’ny fianakaviana.
Ny ekipan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka no niara nisalahy tamin'ny fanolorana ireo tolotra, nahitana ny fanalana nify, fanaovana vaksiny, fizahana amin’ny alalan’ny "échographie", fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ary fizarana fanafody ho an'izay mila izany. Natao izany mba hanakaikezana kokoa ny tolotra ara-pahasalamana sy hamaliana mivantana ny filàn’ny mponina.
Ho fanohanana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ary ho fanatsarana ny tolotra eny anivon’ny tobim-pahasalamana, dia nisy ihany koa ny fanolorana kojakoja fampiterahana, tavoahangy "oxygène" ary lay misy ody moka maharitra. Ireo fitaovana ireo dia hanampy amin’ny fanatsarana ny fandraisana an-tanana ny marary, ny reny bevohoka sy hiteraka ary ny zaza.
Notarihin-dRamatoa Elisa RANDRIANIRINA, Filoha mpanorina ny FANJIRY sady Vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ity hetsika ity. Nambarany fa ny FANJIRY dia natao « hitondra fahazavana ho an’ny hoavintsika », amin’ny alalan’ny asa maharitra mifantoka amin’ny fahasalamana, fanabeazana, fiofanana arak’asa, fandraharahana, fambolena ary fiompiana.
Ho fanamafisana ny fahaleovantenan’ireo mpahazo tombontsoa dia nisy koa ny fanomezana milina fanjairana, milina fitotoam-bary, lakana, akoho fiompy, zezika, tafo fanitso ary kojakojam-pianarana.
Ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka dia manamafy hatrany ny fanoloran-tenany hiara hisalahy amin'ireo mpisehatra ara-tsosialy toy ny FANJIRY, hanakaiky ny vahoaka, hamaly ireo filàny fototra ary hitondra vahaolana maharitra sy vokatra azo tsapain-tanana, fa tsy fanampiana vonjimaika fotsiny.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANAVAOZANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 02-sept.-2026