ZO FOTOTRA NY FAHASALAMANA : FITOKANANA TOBIM-PAHASALAMANA FOTOTRA AO AMIN'NY KAOMININA JANGANY DISTRIKAN'NY BETROKA, FARITRA ANÔSY
Tsiahivina hatrany fa anisan'ny laharam-pahamehan'ny Fitondram-panjakana tarihin'Andriamatoa Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara Kôlonely RANDRIANIRINA Michaël ny fampiroboroboana ny sehatry ny fitsaboana na aiza na aiza misy ny vahoaka eto amin'ny Firenena.
Tontosa androany alakamisy 03 septambra 2026 ny lanonana ofisialy nanamarihana ny fitokanana ny fotodrafitrasa manakaiky ny vahoaka, izay tobim-pahasalamana fototra (CSB II) ao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Jangany, Distrikan'i Betroka, ao amin'ny Faritra Anôsy.
Izao asa goavana izao dia tanteraka sy tontosa vokatry ny fiaraha-miasa amin'ny Tetikasa MIONJO eo ambany fitarihin'ny Fitondram-panjakana, izay miantoka ny fanatsarana ny tolotra ara-fahasalamana sy ny sakafo ho an'ny vahoaka eny ifotony.
Nanome voninahitra ity fotoan-dehibe ho an'ny vahoakan'i Jangany Ramatoa RANDRIANIRINA Elisa, Vadin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika'i Madagasikara, nitokana ny fotodrafitrasa kosa Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira.
Olo-manan-kaja maro no nanatrika izany fotoana izany anisan'izany : Andriamatoa RANDRIANASOLO Jean Nicolas (Solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy tao amin'ny Distrikan'i Betroka), Andriamatoa RANDRIANARIVO Bertrand (Lehiben'ny Faritra Anôsy), Andriamatoa RAKOTONIRINA Jean Bienvenu (Ben'ny Tanànan'i Jangany).
MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary : DRSP ANÔSY - COMM. 03-sept.-2026