FIHAONAN'NY MPIASAN'NY FAHASALAMANA TAO AMIN'NY FARITRA AMORON'I MANIA TAMIN-DRAMATOA MINISITRY NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

Ambositra, Zoma 04 septambra 2026

Tonga tao amin'ny renivohitry ny Faritra Amoron'i Mania ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, sy ny mpiaradia aminy nitafatafa tamin'ireo mpiasan'ny fahasalamana tao amin'ny Faritra.

Nandritra ny dinika dia ireto avy nisongadina :

Laharam-pahamehan'ny Fitondrana Fanavaozana ny fahasalamam-bahoaka.

Mandeha tsikelikely ny famahana ny olana (fotodrafitrasa, olona, fitaovana)

Ezahina mba ho tolotra ara-kalitao hatrany no atolotra ho an'ny vahoaka. Indrindra ny fandraisana ireo marary.

Alavirina sy fadiana ny kolikoly.

Mila miray hina isika Mpiasan'ny Fahasalamana mba hanatsara ny fahasalaman'ireo mpiara belona amintsika.

Nankahery ny mpiasan'ny fahasalamana Ramatoa Minisitra amin'ny adidy masina izay sahanin'ny tsirairay.

Tao anatin'izay dia nankasitraka ny asa sy ezaka vitan'ny Minisitera koa ireo mpiasan'ny Fahasalamana tao an-toerana.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera. Sary : DRSP AMORON'I MANIA - COMM. 04-sept.-2026