hafa

CARAVANE MÉDICALE FARADOBOKA 2024

Niainga ny Sabotsy 02 novambra 2024 ny fiara bé hanolotra fahasalamana eny amin'ny Faritra Vakinakaratra, Matsiatra Ambony ary Atsimo Andrefana.

Mikaroka paik'ady rehetra ny Fitondram-panjakana, amin'ny alalan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, mba hahafahan'ny Malagasy rehetra misitraka fahasalamana manakaiky Vahoaka, ara-kalitao sy manaraka ny fenitra.

Nanainga tao amin'ny CHU JRA anio  indray ny fiaraben'ny fahasalamana hitondra fitsaboana maimaimpoana ho an'ny Vahoaka, hisitraka izany indray ny  Distrikan’i Antsirabe, Ambalavao, Sakaraha, Toliara I ary ny tananan'Antanimeva.

Ity hetsika ity dia eo ambany fiahin’dRamatoa Mialy RAJOELINA , vadin’ny Filoham-pirenena sady Filohan’ny « Association Fitia izay tanterahan’ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, ny Ministeran'ny Filaminam-bahoaka ary ireo mpiara-miombon’antoka maro samihafa.

Tonga nanome voninahitra sy nitso-drano izany ny Ministrin'ny Fahasalamam-bahoaka, Pr. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo , notronin'ny Minisitrin'ny Filaminam-bahoaka  ary naneho ny fiaraha- mientana miaraka ireo mpiasan'ny fahasalamana sy ireo mpisehatra rehetra entina hampandroso ny Fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara ary tafiditra anatin’izany ny ady amin'ny herisetra

# Ministeran’ny fahasalamana eo anilanao hatrany#

02-nov.-2024

Zoom sur

Nos autres Activités