FESTIVAL DU CITRON MANANDRIANA

Ao anatin’ny ezaka fanamafisana ny fiatrehana ireo laharam-pahamehana sy ny vonjy taitra ara-tsakafo dia notanterahina androany 04 septambra 2026 tao amin’ny Birao Nasionaly misahana ny Fanjariantsakafo (ONN) ny fivoriambe voalohany ho an’ny Filankevi-pirenena misahana ny Fanjariantsakafo (CNN).

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy teo ambany fitarihan’ny solontenan’Andriamatoa Praiminisitra, Kôlonely RAZAFIMANAHAKA Tiana, ity fivoriambe ity, izay nampivondrona ireo rafitra ara-panjakana sy ireo mpiantsehatra samihafa voakasiky ny fanjariantsakafo anisan’izany ireo solontena avy amin’ny Fiadidian’ny Repoblika, ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny Minisiteran’ny Toe-karena sy ny Vola, ny Minisiteran’ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana, ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fahaleovantena ara-tsakafo, ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Firaisankina, ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, ary ny Minisitera Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena.

Teo ihany koa ireo solontenan’ny FFKM, ny sehatra tsy miankina, ny fiarahamonim-pirenena ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, anisan’izany ny FAO, GIZ, PAM, UNICEF ary ny Banque Mondiale.

Nisolotena an-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Andriamatoa Sekretera Jeneraly, Dr. RANDRIANAMBININA Ephraïm Stephanson.

Ity fihaonana ity dia maneho ny fahavononan'ny Fitondram-panjakana ny amin'ny fanamafisana ny fomba fiasa marolafy, izay tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanatanterahana ny Pôlitika Nasionaly momba ny Sakafo sy ny Fanjariantsakafo (PNN) 2022–2030. Pôlitika izay mametraka ny fandrindrana iarahan’ireo sehatra marolafy, ny fiaraha-miasa ary ny fitantanana tsara ho fototra lehibe hiadiana maharitra amin’ireo endrika samihafa amin’ny tsifanjariantsakafo.

Eo ambany fiahian’ny Primatiora, ny rafitra nasionaly misahana ny fanjariantsakafo dia miankina amin’ny Conseil National de la Nutrition (CNN), miandraikitra ny famolavolana, ny fifampidinihana ary ny fanomezana tari-dalana stratejika, ary ny Office National de Nutrition (ONN), izay miandraikitra ny fandrindrana ara-teknika, ny fanaraha-maso sy fanombanana ary ny fanohanana ny fanatanterahana ireo hetsika.

Amin’ny alalan’ireo Birao isam-paritra misahana ny Fanjariantsakafo (CRN) 22, dia ampitaina sy tanterahina hatrany amin’ny sehatra isam-paritra izany ezaka izany.

Ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo dia mitaky fiaraha-mientan'ny sehatra rehetra, nasionaly sy ifotony. Indrindra indrindra eo anivon'ny vondrom-piaraha-monina.

Noho izany, ity fivoriambe voalohany ity, dia mametraka ny fototra ho amin’ny fiaraha-mientana matanjaka kokoa, fandrindrana mirindra kokoa ary hetsika mivaingana kokoa. Dingana iray manan-danja izany amin’ny fanatanterahana ny vina iombonana sy amin’ny fananganana valin-kafatra maharitra manoloana ny tsifanjariantsakafo eto Madagasikara.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA,MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera 05-sept.-2026