FITONDRAM-PANJAKANA AKAIKY NY VAHOAKA

Manoloana ny tranga lozam-pifamoivoizana nahazo ny fiaram-pitaterana, niseho teo amin'ny tonelina Ambohidahy, izay namoizana ain’olona sy naharatrana olona, dia nandray andraikitra avy hatrany ny Fitondram-panjakana, naniraka ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta, nandeha manotrona, mankahery ireo fianakaviana mana-manjo ary manaraka ny fivoaran'ny fahasalaman'ny niaram-boina, anisany tao an-toerana i Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira.

Efa noentina eny anivon’ny hôpitaly ireo naratra, ary nahazo avy hatrany ny fitsaboana sahaza azy ireo. Tao an-toerana Ramatoa Minisitra sy ireo mpikambana amin'ny Governemanta ary ireo tompon’andraikitra, nanara-maso akaiky ny fandraisana an-tanana ireo niaram-boina.

Manoloana izao voina izao, dia mirary fiononana feno ho an’ireo fianakaviana namoy havana, ary mirary fahasitranana haingana sy feno ho an’ireo manaraka fitsaboana.

Noraisin'ny Fitondram-panjakana an-tanana ny fandaniana amin'ireo fitsaboana sy ny mahakasikan'ireo nodimandry, satria tokoa mantsy Masina ny Aina, laharam-pahamehana hatrany ny fiarovana ny ain’ny vahoaka sy ny fandraisana andraikitra haingana manoloana ny tranga mampalahelo tahaka izao.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera 08-sept.-2026