FANAMAFISANA NY FAHASALAMANA IFOTONY : MITOHY NY EZAKA ATAON’NY FITONDRAM-PANJAKANA

FANAMAFISANA NY FAHASALAMANA IFOTONY : MITOHY NY EZAKA ATAON’NY FITONDRAM-PANJAKANA

Ao anatin’ny fanatanterahana ny Politika Nasionaly momba ny Fahasalamana Ifotony izay anisan'ny vinan'ny Fitondram-panjakana, dia mitohy ny ezaka ataon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra eny ifotony, ho fanatsarana hatrany ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny isam-batan'olona.

Nanomboka ny 31 Aogositra 2026, ary haharitra telo herinandro, ny fiofanana mifanesy ho an’ireo "Chefs CSB" 6 sy Relais Communautaires 56, ary ireo mpanentana ara-pahasalamana (AC) 583, misahana ireo Fokontany 136, ao amin’ny SDSP Toamasina I.

Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Atsinanana, Dr. ZARA Hassanaly Patrick, notronin’ny Médecin Inspecteur Toamasina I sy ny solontenan’ny UNICEF Madagascar, mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana izao fampiofanana izao.

Novatsiana fitaovana sy finday ihany koa ireo mpiofana, mba hanamorana ny asan’izy ireo sy hanatsarana ny fanangonana ary fandefasana haingana ireo antontan’isa ara-pahasalamana.

MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

 

Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary : DRSP ATSINANANA - COMM 08-sept.-2026