FISOROHANA SY FANAOVANA FITILIANA - PAIKADY ENTINA MIADY AMIN’NY FIPARITAHAN'NY IST VIH/SIDA NY FAHAFANTARANA NY TOE-PAHASALAMAN'NY TSIRAIRAY

Ho fanohizana ny fiaraha-mientan’ny sehatra rehetra amin’ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, amin'ny ady atao amin’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo sy ny tsimokaretina VIH/Sida dia notanterahina tamin’ny andron’ny 07 Septambra 2026 ny fanentanana sy fitiliana ara-pahasalamana ireo mpitandro filaminana izay niarahan’ny ekipa PNLIS, MAD’AIDS ary ny ekipa misahana ny fandrindrana ny VIH/Sida eo anivon’ny Ministeran'ny Filaminam-bahoaka.

Ny mpitandro filaminana tao amin’ny « Commissariat de sécurité publique du 7ème arrondissement 67Ha » indray moa no nisitraka izany tamin’ity hetsika ity.

Ireto avy no nifampizarana nandritra izany fotoana izany : ny zava-misy ankehitriny momba ny IST-VIH/Sida sy Mpox eto Madagasikara. Ny fomba fifndrany ary ireo fomba fisorohana ihany koa.

Taorian'ny fanentanana dia niroso avy hatrany amin'ny fanaovana fitiliana ireo mpitandro filaminana mba hahafantarany ny toe-pahasalamany.

Tsy misoratra eny amin’ny andrina tokoa ny VIH fa "Ny fitiliana irery ihany no ahafantaranao na mitondra ny tsimokaretina VIH ianao na tsia", izay tokoa no antony namporisian'ny Fitondram-panjakana ny amin'ny fanamafisana ny fahampahafantarina ireo fomba maro samihafa amin'ny fisorohana ny areti-mifindra ho an'isam-batan'olona.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary : Pnlis 09-sept.-2026