FIAROVANA NY AINA - FANDRAISANA AN-TANANA IREO ZAZA MENAVAVA MANANA OLANA ARA-PAHASALAMANA
Tsy misy tokony ho very zo amin’ny fahasalamana noho ny fahasahiranana. Izany no anisan’ny foto-kevitra manosika ny Fitondram-panjakana hanakaiky hatrany ireo olona mila fanampiana sy fandraisana an-tanana ara-pahasalamana.
Nandritra ny dian-dRamatoa Elisa RANDRIANIRINA, Filoha mpanorina ny Fikambanana FANJIRY sady Vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, tany Andemaka – Vohipeno, ny Alarobia 02 septambra 2026, no nandraisany ny fanapahan-kevitra ny fikarakarana ara-pahasalamana, ny zaza kambana nanana olana ara-pahasalamana tao an-toerana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, satria hita sy tsapa ny zava-misy sy ny filàna fitsaboana manokana mahakasika ireo zaza ireo tany amin'ny Faritra lavitra tany.
Noho izany, dia nentina avy hatrany teto Antananarivo ireo zaza kambana mba hahafahan’izy ireo mahazo fitsaboana sy fanaraha-maso mifanaraka amin’ny toe-pahasalamany.
Amin’izao fotoana izao dia manaraka fitsaboana sy fanaraha-maso ara-pahasalamana ao amin’ny Hôpitaly CHU-JRA Ampefiloha izy ireo, izay andraisan’ny mpiasan’ny fahasalamana an-tanana akaiky ny fikarakarana azy, ka ny andron'ny 08 septambra, dia nitsidika ny fianakaviana Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira ho fankaherezana ny amin'ny dingana ara-pitsaboana miandry azy ireo.
Ity fandraisana an-tanana ity dia maneho ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fanamafisana ny fahazoan’ny rehetra tolotra ara-pahasalamana, indrindra ireo ankizy sy fianakaviana marefo izay miatrika fahasahiranana.
Ny fahasalamana dia zo fototra, koa ny fanakaikezana ireo olona tena mila fanampiana sy ny fanomezana azy ireo fahafahana hahazo fitsaboana dia anisan’ny laharam-pahamehana amin’ny fanatanterahana ny politika ara-pahasalamana amin'izao fotoam-panavaozana izao.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera. 09-sept.-2026