FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY « CONCOURS NATIONAL D’AGRÉGATION EN MÉDECINE HUMAINE ET EN ODONTO-STOMATOLOGIE »

09 Septambra 2026, INSPC Mahamasina.

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany ny « Concours National d’Agrégation en Médecine Humaine et en Odonto-Stomatologie », fifaninanam-pirenena mikendry ny hahazoana ny mari-pahaizana ahafahana miroso amin’ny maha-Profesora "Agrégé" eo amin’ny sehatry ny fitsaboana ny olona ary ny fitsaboana ny nify sy ny ati-vava.

Nanome voninahitra ity lanonana ity ny Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, nanotrona izany Andriamatoa Tale Jeneralin'ny Fikarohana ara-Tsiansa solontenan'Andriamatoa Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana ara-Tsiansa, ny Filohan'ny Anjerimanontolo eto Antananarivo, ireo Sojaben'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony ny "médicine" manerana ny nosy, ireo Tompon'andraikitry ny Ivon-toeram-pitsaboana sy fampianarana ambony eto Madagasikara, ny Lehiben’ny mpanadina, ireo mpampianatra-mpikaroka, ireo mpikaroka mpampianatra, sy ireo solontenan’ireo mpiara-miombon’antoka (Banque Mondiale, Université Laval Canada, Université de Bordeau), ary ireo mpiadina mandray anjara amin’ity fifaninanam-pirenena ity.

Manamafy ny fiaraha-miasa amin’ny tontolon’ny oniversite hatrany ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, indrindra amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fanofanana matihanina mahay sy manana traikefa, izay afaka mandray anjara mavitrika amin’ny fanavaozana sy fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana.

Anisan’ireo manana andraikitra lehibe amin’izany ny Profesora ''Agrégé'', izay manana fahaiza-manao lalina eo amin’ny sehatry ny siansa sy ny fitsaboana, mahay mandinika sy mandray fanapahan-kevitra, ary indrindra, manana andraikitra amin’ny fampitana sy fizarana fahalalana amin’ireo taranaka mpitsabo ho avy.

Noho izany, manome lanja manokana ny « Excellence» eo amin’ny sehatry ny fitsaboana ny "Concours National d’Agrégation". Izay sehatra iray hanomanana ireo manam-pahaizana izay hiantsoroka, amin’ny ho avy, ny fanofanana ireo matihanina eo amin’ny sehatry ny fitsaboana, ho tombontsoan’ny taranaka fara mandimby sy ny Firenena manontolo.

Nandritra ny lanonana dia nitondra ny teny fisaorana i Ramatoa Minisitra tamin’ireo mpandray anjara ihany koa, ny solontenan’ireo mpiadina. Notsindriana tamin’izany ny fankasitrahana ireo ezaka, ny faharetana ary ny fanoloran-tena asehon’ireo mpiadina amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanatsarana hatrany ny fahasalamam-bahoaka.

Naneho fankasitrahana feno ihany koa ny tenany tamin'ireo mpiara-miombon’antoka, izay manohana tsy tapaka ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka, ny fampianarana ambaratonga ambony ary ny fikarohana ara-tsiansa eto Madagasikara.

Manoloana ny fangatahana nozarain'Andriamatoa Filohan'ny Anjerimanontolon'Antananarivo, dia hanao ny ezaka sy handray ny andraikitra ny Fitondram-panjakana amin’ny fanomezana toerana hiasana haingana ho an’ireo mpampianatra mpikaroka ireo, mba hahafahan’izy ireo mampita sy mampihatra ireo fahalalana sy fahaiza-manao ananany, ho tombontsoan’ny vahoaka sy ho fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fahasalamam-bahoaka.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera 09-sept.-2026