FANAMAFISANA NY ADY AMIN’NY KITROTRO : FISOROHANA HO AN'NY VAHOAKA, PAIKADIN'NY FITONDRAM-PANJAKANA

Ny 81 Distrika manerana an’i Madagasikara no nahitana tranga kitrotro tamin’ity taona 2026 ity. Manoloana izany, manamafy hatrany ny fepetra sy fisorohana ara-pahasalamana ny Fitondram-panjakana tarihin'Andriamatoa Filohan'ny Fanaovaozana, Kolonely RANDRIANIRINA Michael, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, mba hifehezana sy handresena ny valanaretina kitrotro ity.

Tsy fanaovam-baksiny faobe ihany, no tanterahina, fa fanamafisana ny fanaovam-baksiny an-davanandro, amin’ny alalan’ny paikady mahomby : "stratégies fixes, avancées et mobiles" amin'ny teny frantsay.

Kendrena amin’izany ny zaza 09 ka hatramin’ny 23 volana, izay hanaovana vaksiny mandritra ny 4 andro, eny amin’ireo Tobim-pahasalamana fototra (CSB) rehetra ao anatin’ireo Distrika 81 voakasika.

Ireto avy ireo Faritra iantefan’ity hetsika fanamafisana ity : Amoron’i Mania, Analanjirofo, Androy, Atsimo Atsinanana, Atsinanana, Betsiboka, Boeny, Bongolava, Diana, Ihorombe, Itasy, Melaky, Menabe, Sofia, Vakinankaratra, Anosy, Alaotra Mangoro, Matsiatra Ambony, Analamanga, SAVA.

Manaporofo izao hetsika izao fa mijanona ho laharam-pahamehana ho an’ny Fitondram-panjakana sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy, ny fiarovana ny ain’ny zaza Malagasy sy ny fahasalaman’ny vahoaka. Ny fanamafisana ny fanaovam-baksiny an-davanandro dia anisan’ny ezaka entina manatsara hatrany ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana sy miantoka ny fahafahan’ny ankizy mahazo vaksiny eny amin’ny toerana akaiky azy fa indrindra mitsinjo ny fampandrosoana maharitra amin'izy ireo no ho avin'ny Firenena Malagasy.

SARY FANEHOANA : DPEV, DRSP MENABE, DRSP ATSINANANA, DRSP VAKINANKARATRA.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera

Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary : DPEV, DRSP MENABE, DRSP ATSINANANA, DRSP VAKINANKARATRA 10-sept.-2026