FANDRAISANA FANAMPIANA HO FANARENANA IREO FOTODRAFITR'ASA SIMBA TAORIAN'NY FANDALOVAN'NY RIVODOZA GEZANI

Anisan’ny laharam-pahamehan’ny Fitondram-panjakanan'ny Fanavaozana, ny fanarenana ny tanànan’i Toamasina sy ireo fotodrafitrasa simba vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza GEZANI tao Toamasina.

Ao anatin’izany ezaka izany, tafo fanitso miisa 200, simenitra 500 gony ary fantsika 30 kg no natolotry ny Faritra Atsinanana ho an’ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Atsinanana, ho fanohanana ny fanarenana ireo fotodrafitr’asa ara-pahasalamana simba.

Ny Lehiben’ny Faritra Atsinanana, Andriamatoa RAZAFIARISON Jean Jugus, no nanolotra izany fanampiana izany androany alakamisy 10 septambra.

Nitondra ny teny fisaorana, ny Talen’ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Atsinanana, Dr. ZARA Hassanaly Patrick, ary nanamafy fa hatao am-pahitsiana sy mangarahara ny fitantanana ireo fanampiana ireo, ary hampiasaina araka ny tokony ho izy amin’ny fanarenana ireo fotodrafitrasa simba.

Ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, izay tarihin-dRmatoa Minisitra Dr. MANAGNA Monira dia maneho fankasitrahana amin'ireo rehetra manohana ny sehatry ny fahasalamana, fa indrindra misokatra amin'ny fiaraha miasa amin'ny rehetra na ireo sampan-draharaham-panjakana izany na koa ireo sehatra tsy miankina satria tokoa adidy iombonana ny fitsinjovana ny Aina amin'ny alalan'ny fiaraha mientana ny amin'ny ho fanolorana fitsaboana tsara kalitao ho an'isam-batan'olona.

MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA .

 

Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary : DRSP ATSINANANA - COMM 11-sept.-2026