FANAMAFISANA NY FIARAHA-MIASA EO AMIN’NY

Manoloana ny fahatongavan'ny delegasionin'ny "Fonds Mondial", tarihin-dRamatoa Docteur Lyne SOUCY "Directrice Régionale Fonds Mondial, Responsable Régionale de l'Équipe Afrique du Nord, Afrique Australes et Orientale, et Moyen-Orient", eto Madagasikara dia nisy ny fihaonana ara-pomba fanajana nataon'izy ireo tamin-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, ny andron'ny alatsinainy 7 septambra sy ny alakamisy 10 septambra tao amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka Ambohidahy, ho fanamafisana hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta.

Nifantoka tamin’ny fifanakalozan-kevitra ny amin'ny fanamafisana ireo ezaka iombonana, ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana amin'ny alalan'ny fanohanana ireo laharam-pahamehana napetraky ny Fitondram-panjakana eo amin'ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka amin'izao fotoam-panavaozana izao ny lahadinika.

Tsiahivina fa ny "Fonds Mondial" dia anisan'ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon'antoka ara-teknika sy ara-bola, manohana ny sehatry ny fahasalamana, amin'ny alalan'ireo tetikasa sy paikady fisorohana, sy ny ady atao amin’ny aretina tazomoka, ny tiberkilaozy ary ny VIH-SIDA eto Madagasikara.

Tao anatin'ny fihaonana dia noresahana ihany koa ny fanatsaràna ny fanaraha-maso isan-karazany mahakasika ny fampiasana ny famatsiam-bola, ny fametrahana ny mangarahara, fa indrindra ny fahazoana vokatra azo tsapain-tanana sy mipaka amin'ny vahoaka tsirairay.

Ity fiaraha-miasa ity dia maneho ny fahavononan’ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka hanamafy ny ezaka rehetra miaraka amin'ny mpiara-miombon’antoka toy ny "Fonds Mondial" ho an'ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy sy ho fanatsarana hatrany ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara.

Fiaraha-miasa matanjaka, tanjona iombonana, fahasalamana ho an’ny rehetra.

MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitalevana ny Serasera 11-sept.-2026