Fijerena ny maha-olona

CARAVANE MÉDICALE 2024 faritra Atsimo

FARADOBOKA CARAVANE MÉDICALE 2024 : Faritra telo (3) ary Tanana dimy (5) (Antsirabe I, Ambalavao, Sakaraha, Toliara I ary Antanimieva) no nisitraka tolotra ara-pahasalamana

Ny fahasalamana dia fanalahidy lehibe amin’ny fampandrosoana. Noho izany, napetraky ny Fitondram-panjakana, tarihin’ Andriamatoa Andry RAJOELINA , ho laharam-pahamehana ao amin’ny Fandaharan’asa Ankapobean'ny Fanjakana (PGE) ny " Caravane Médicale " mba hahazoan’ny olom-pirenena tsy an-kanavaka ny zo ara-pahasalamana na aiza na aiza toerana misy azy.

Nanateraka izany ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka izay tarihin’ Andriamatoa Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo ary  Mpiasan'ny Fahasalamana maherin' ny 100 isa , ny Brigade Féminine de Proximité , ny Mpiasan'ny Ministeran'ny Mponina sy fiahiana ara-Tsosialy ary ireo mpitandro filaminana isan-tsokajiny no niara-nisalahy tamin’ireo mpiara-miombon'antoka maro samihafa tamin'ny fanentanana, fisorohana, ary fitsaboana nandritra ny " Caravane Médicale ".

 Ny Faritra Atsimo no nandray ireo tolotra ara-pahasalamana marolafy nandritra ity faradoboka ity.

# Ministeran_ny_Fahasalamam-bahoaka

# Ministeran_ny_Filaminam_Bahoaka 

# Ministeran_ny_mponina_sy_Fiahiana_ara_Tsosialy 

# Ireo_Mpiara_miombon_Antoka_Rehetra 

#Ny_Ministeran_ny_fahasalam_bahoaka_eo_anilanao_hatrany

 

 

 

SCM/DIRCOM 04-nov.-2024

Zoom sur

Nos autres Activités