FANAMAFISANA NY FIARAHA-MIASA EO AMIN’I MADAGASIKARA SY ETAZONIA HO FANATSARANA NY FAHASALAMAM-BAHOAKA
Natsangana ny 22 Desambra 2025 ny Komity Mpitantana misahana ny fanatanterahana ny Fifanaraham-piaraha-miasa (MOU) eo amin’i Madagasikara sy Etazonia eo amin’ny sehatry ny fahasalamana.
Androany, notanterahina ny fivoriana voalohan’ny Komity mpitantana, izay nifantoka tamin’ny famaritana ireo laharam-pahamehana sy ireo hetsika tokony horaisina mba hanamafisana hatrany ny rafi-pahasalamana eto Madagasikara. Nanatrika izany, niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka, ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. RANDRIANAMBININA Ephraïm Stéphanson.
Haharitra dimy taona ity fifanarahana mpiara-miasa ity, ka 175 tapitrisa dolara no hatokana amin’ny fanatanterahana ireo asa voafaritra ao anatin’izany. Amin’izany, mihoatra ny 134 tapitrisa dolara ny fanampiana avy amin’ny Governemanta Amerikana, ary 41 tapitrisa dolara kosa ny fandraisan’anjaran’ny Governemanta Malagasy.
Mifantoka indrindra amin’ny fanamafisana ny rafitra fanaraha-maso sy fiatrehana ny aretina, ny fanatsarana ny rafitra laboratoara, ny fitantanana sy fandrindrana ny rojo famatsiana fanafody sy fitaovam-pahasalamana, ny fanamafisana ny mpiasan’ny fahasalamana eny ifotony, ny fitantanana sy fampiasana ny angon-drakitra ara-pahasalamana, ary ny fampiasam-bola stratejika sy ny fanohanana ara-teknika ny fiaraha-miasa.
Ho fanamafisana ny fandrindrana sy ny fahombiazan’ny fiaraha-miasa, dia hivory isaky ny telo volana ny Komity Mpitantana, mba hanaraha-maso akaiky ny fandrosoan’ireo asa sy hahafahana mandray haingana ireo fepetra ilaina.
Tanjona iombonan’i Madagasikara sy Etazonia ny fanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana sy ny fanatsarana hatrany ny kalitao ary ny fahafahan’ny vahoaka Malagasy mahazo tolotra ara-pahasalamana.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera. 11-sept.-2026