FIZARANA NY VOKATRY NY IRAKA NATAON’NY DELEGAOSIN’NY FONDS MONDIAL TETO MADAGASIKARA
Notanterahina tao Ambohidahy ny fihaonana natokana ho amin’ny fizarana ireo hevi-dehibe sy ny vokatry ny iraka notanterahin’ny delegasionin’ny "Fonds Mondial" teto Madagasikara, mikasika ny sehatry ny fahasalamana.
Teo ambany fitarihan-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, no nanatanterahana ity fihaonana ity, ka nahafahana nizara ny voka-pifampidinihana tamin'ny sehatra rehetra, nandinika ireo fanamby mbola sedraina ary namaritra ireo laharam-pahamehana tokony hohamafisina ara-teknika sy ara-pitantanana.
Nandritra izany, ny Tale Rezionalin’ny "Fonds Mondial" misahana an’i Afrika dia naneho ny fisaorany an’i Madagasikara noho ny fandraisana sy ny fotoana natokana nandritra ny iraka nataon'izy ireo.
Notsindriany fa nahitam-bokatra ny fifanakalozan-kevitra sy ny fiaraha-miasa, ary nanamafy ny fahavononany hiara-hiasa akaiky amin’ny Fitondram-panjakana Malagasy amin’ireo taona ho avy.
Ho setrin’izany, Ramatoa Ministra dia naneho ny fisaorany ny delegasionin'ny "Fonds Mondial" noho ny fahatongavana sy ny fifanakalozana nahafahana nandrindra misimisy ireo ezaka iombonana eo amin’ny sehatry ny fahasalamana ao anatiny famatsiam-bola ho fanohanana ny ezaka sy asa eo amin'ny ady atao amin'ny Tiberkilaozy, VIH-SIDA ary ny Tazomoka.
Nohamafisina tamin’ity fihaonana ity, araka izany, ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-miasa sy ny fifampitokisana eo amin’ny Fitondram-panjakana sy ity mpiara-miombon’antoka ity, ho fanohanana hatrany ny fanatsarana ny rafitra sy ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny vahoaka tsivakivolo.
Ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka dia
manamafy ny fiaraha-miasa hatrany, ho an'ny manatsara ny fahasalamam-bahoaka fa indrindra ny fiaraha miasa rehetra dia tsy maintsy misy fiantraikany mivantana amin'ny vahoaka izay fomba fiasa amin'izao Fitondram-panjakana izao.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 11-sept.-2026