FIKATONANA AMIN'NY FOMBA OFISIALY NY « CONCOURS NATIONAL D’AGRÉGATION EN MÉDECINE HUMAINE ET EN ODONTO-STOMATOLOGIE 2026»

Zoma 11 septambra 2026, INSPC Mahamasina

Tontosa soa aman-tsara nandritra ny telo andro ny fifaninanam-pirenena mikendry ny hahazoana ny mari-pahaizana « Agrégation », ahafahana miroso amin’ny maha-Profesora "Agrégé" eo amin’ny sehatry ny fitsaboana ny olona ary ny fitsaboana ny nify sy ny ati-vava.

Miisa 50 ireo mpifaninana nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity, ka miisa 35 tamin’izy ireo no nahafeno ny fepetra rehetra takiana ka nahazo ny mari-pahaizana « Agrégation » ary lasa Profesora ''Agrégé ''.

Tonga nanome voninahitra izany Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira, niaraka tamin’ireo delegasionina avy eo anivon’ny Minisitera. Teo ihany koa ny solontenan’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, ireo Sojabe, ireo Profesora avy amin’ny Faritra samihafa eto Madagasikara, ireo olom-boatendry sy olom-panjakana isan-tsokajiny ary ny mpiara-miombon'antoka.

Nitondra ny teny firariantsoa ho an’ireo Profesora "Agrégé" vaovao Ramatoa Minisitra, ary nanamafy ny fahavononan’ny Fitondram-panjakana handray andraikitra amin’ny fanomezana toerana azy ireo haingana, mba hahafahan’izy ireo manatanteraka ny andraikiny sy mitondra ny anjara birikiny amin’ny fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka ary ho tombontsoan’ny vahoaka Malagasy.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavan’ny Serasera 11-sept.-2026