FANOMEZAN-DRÀ FAOBE : FIARAHA-MIENTANA HO AMIN’NY FAMONJENA AINA

Notanterahina androany maraina tetsy amin’ny CHU-JRA ny hetsika fanomezan-drà faobe, nokarakarain’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, izay anisan'ny hetsika sosialy ho fanamarihana ny Fankalazana ny faha-65 taonan'ny Polisimpirenena no sady ao anatin’ny fiaraha misalahy amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Nanatrika ny hetsika ny Ramatoa Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, nisolo tena an'Andriamatoa Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ary Andriamatoa Tale Jeneralin’ny Tolotra ara-pahasalamana, kosa no nisolo tena an-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka.

Nandray anjara mavitrika tamin’ity hetsika ity ny mpiara-miasa rehetra eo anivon’ny Filaminam-bahoaka, izay niara-nanome rà ho fanehoana ny firaisankina sy ny fahavononana handray andraikitra amin’ny famonjena aina.

Tsy fanomezana tsotra ny fanomezan-drà, fa hetsika maneho firaisankina sy fandraisana andraikitra mivantana ho an’ny ain’ny hafa. Amin’ny fotoana ilàna azy indrindra, ny rà voaangona dia afaka mitondra fanantenana ho an’ireo marary mila fitsaboana sy famonjena maika.

Amin’ny alalan’izao hetsika izao, dia hamafisin'ny Fitondram-panjakana hatrany fa ny fiarovana ny ain’ny vahoaka sy ny fahasalamany dia andraikitra iombonana, izay mitaky fahavononana sy fiaraha-mientana hatrany.

Manome rà, manome fanantenana, mamonjy aina.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera 14-sept.-2026