FANATSARANA NY TOLOTRA ARA-PAHASALAMANA : CSB ROA AO AMIN’NY KAOMININA MIANDRARIVO NAHAZO FITAOVANA VAOVAO.
Tontosa ny 12 septambra 2026 ny fitokanana ireo Toeram-pitsaboana Fototra (CSB) izay nohavaozina sy nampiana fitaovana vaovao tao amin’ny Kaominina Miandrarivo.
Anisan’izany ny CSB I Manarintsoa sy ny CSB II Fenomanana Voahangy.
Nisitraka fitaovana manokana ireo toeram-pitsaboana roa ireo mba hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana ary hanamora ny fahazoan’ny vahoaka fitsaboana manara-penitra.
Ity fanatsarana ity dia tanteraka nohon' ny fiaraha-miasan’ny UNICEF sy Gavi, "the Vaccine Alliance", tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ho fanohanana ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana amin’ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana omena ny vahoaka.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera. Sary : DRSP VAKINANKARATRA - COMM. 14-sept.-2026