NY FAHASALAMANA MANATONA NY VAHOAKA

Kaominina Ankadinondry Sakay – Distrikan’i Tsiroanomandidy

Maneho ny fahavonany ny Fitondram-panjakana, ny amin'ny fametrahana ireo stratejia marolafy eo amin'ny fitantanana ny fahasalamam-bahoaka eny ifotony, ary manatanteraka izany ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, amin'ny alalan'ireo rantsamangaikany any amin'ny Faritra rehetra. Anisan'ny voaresaka amin'izany ireo hetsika sosialy mivoaka ny tobim-pahasalamana iarahan'ireo tompon'andraikitra ara-pahasalamana sy ny mpiara-miombon'antoka misalahy.

Arak'izany dia tontosa ny 12 sy 13 septambra 2026, tao amin’ny Kaominina Ankadinondry Sakay, ny paikady « Fahasalamana manatona vahoaka », izay santionany nokarakarain’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, tamin’ny alalan’ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Bongolava.

Tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana ho an’ny rehetra no nandravahana ny hetsika

ka nahitana fizahana sy fitsaboana ny maso, fitiliana ny homamiadan’ny vozon-tranonjaza, fitiliana diabeta, fitiliana VIH, vaksiny miaro amin’ny MPOX, vaksiny ho an’ny zaza, fandrindrana ny fiainam-pianakaviana, fitiliana "hémophilie", fanalana nify, fizahana sy fitsaboana ireo zokiolona, "Échographie" ho an’ny vehivavy bevohoka, fisafoana ary "kinésithérapie".

Tanjona amin’izao hetsika izao ny hanakaiky ny vahoaka, indrindra eo amin’ny lafiny fisorohana sy fiarovana amin’ny aretina, ary koa ny fampahafantarana ny vahoaka ireo tolotra ara-pahasalamana misy eny anivon’ireo tobim-pahasalamana miankina amin’ny Fanjakana.

Isaorana manokana ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanatanterahana izao hetsika izao, indrindra ny mpiasan’ny fahasalamana, AMADIA, SOURIRE D’ONJA, APBEHM, ary ireo mpiara-dia rehetra.

Nanotrona sy nanome voninahitra ny hetsika ny Tale Jeneralin’ny Fisorohana ara-pahasalamana (DGMP), izay nisolo tena an-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, niaraka tamin’ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Tsiroanomandidy, ny Ben’ny Tanànan’Ankadinondry Sakay, ary ireo tompon’andraiki-panjakana maro.

MIASA MIARAKA ISIKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA VAHOAKA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera.sary : DRSP BONGOLAVA - COMM. 15-sept.-2026