MITOHY NY FANDRAISAN’ANDRAIKITRY NY FITONDRAM-PANJAKANA HIFEHEZANA SY HAMONGORANA TANTERAKA NY MPOX
Notanterahina ny 14 Septambra 2026, tao amin’ny efitrano fivorian’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny fivoriana nanaovana jery todika ny fiatrehana ny valanaretina Mpox, taorian’ny sivy (09) volana niatrehana izany. Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, no nitarika ny fivoriana izay nifantoka tanteraka tamin’ny fanombanana ny zava-bita, ireo olana sedraina, ny lesona azo tsoahina ary ny paikady hotohizana, mba hanamafisana hatrany ny fiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka amin’ny Mpox.
Efa hita taratra ankehitriny ny fihenan’ny isan’ireo tranga Mpox, noho ireo ezaka sy fepetra noraisin’ny Fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka. Na izany aza, mbola ilaina hatrany ny fahamailoana sy ny fitandremana, mba hisorohana ny fiverenan’ny fiakaran’ny tranga sy hiantohana ny fifehezana tanteraka ny valanaretina.
Maro ireo ezaka efa vita nandritra izay sivy volana izay, ary hotohizana hatrany ny asa sy ny ezaka mba hahafahana mifehy sy hanafoana tanteraka ny Mpox eto Madagasikara.
Isaorana ireo mpiara-miombon’antoka rehetra, ary ireo tomponandraikitra isan’ambaratongany, izay samy nandray anjara tamin’ny ezaka iombonana ho fisorohana sy fifehezana ny Mpox eto amin’ny Firenena.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera. 15-sept.-2026