FANAVAOZANA PAIKADY : HAFAINGANINA NY FAMPIHENANA NY FAHAFATESAN’NY RENY SY NY ZAZA VAO TERAKA
Novolavolaina ny 15 septambra ny "Tondrozotra vaovao" hahafahana mampidina haingana ny tahan'ny fahafatesan'ny reny sy ny zaza vao teraka eto Madagasikara.
Nifototra tamin'ny tombana lalina sy ireo fanadihadiana nasionaly izao fitaovana izao, ka miantoka ny vahaolana mifanaraka tsara amin'ny zava-misy eny an-kianja.
Ao anatin'ny vinan'ny Fitondram-panjakana Fanavaozana izao ihany koa ny fametrahana paikady mahomby sy matotra, ny amin'ny fametrahana drafitra sy lamina mifanaraka amin'ny filàn'ny vahoaka fa indrindra ho hita taratra ny fiantefan'izany asa izany any amin'ny fiaraha-monina. Manamafy izany ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, satria anisan'ny singa iray eo amin'ny fahasalamam-bahoaka sy manana lanja lehibe ny fahasalaman'ny Reny sy ny Zaza, satria fantatsika tsara fa ny Reny manome Aina, ary ny Zaza dia ho avin'ny Firenena.
Ny tanjona amin'izao dia ny :
-
Fanatsarana ny fandraisana an-tanana ao anatin'ny hamehana ireo zaza vao teraka (SONU).
-
Fanamafisana ny fanaraha-maso ireo fahafatesan'ny reny mitondra vohoka (SDMPR) eny anivon'ny tobim-pahasalamana.
-
Hanova ny porofo sy ny antontan-kevitra ho fanapahan-kevitra stratejika ka hamadika izany ho "Tondrozotra ho asa mivaingana".
Nanome voninahitra ny fivoriana Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka Dr. Ephraim Stéphanson RANDRIANAMBININA, izay nanamafy fa : « Tsy ampy ny famolavolana antontan-taratasy sy paikady raha tsy arahina fampiharana mivaingana eny an-kianja, amin’ny ambaratonga rehetra, indrindra eny ifotony. »
Ny famonjena ny ain’ny reny sy ny zaza vao teraka dia fiarovana ny fianakaviana ho an’ny hoavin’i Madagasikara. Satria ny firenena salama dia firenena afaka miaina sy mamokatra.
Atrikasa notohanan'ny "UNFPA", mpiara-miombon'antoka eo amin’ny sehatry ny fahasalaman'ny fianakaviana.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera 15-sept.-2026