FIFANARAHANA ARA-KASA VAOVAO: « MIARA MIAHY » sy « FISA Madagascar »
Miara-miasa ho an’ny Fahasalamana ara-pananahana sy ny Fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ho tombontsoa ny vahoaka Malagasy
Antananarivo, 17 septambra 2026
Dingana lehibe iray ho amin’ny fanatsarana ny fahafahan’ny Malagasy miditra amin’ny tolotra fahasalamana fototra no vita tamin’ny alalan’ny sonia fifanarahana ara-kasa ofisialy teo amin’ny « Fédération Mutuelle de Santé MIARA MIAHY" » sy ny « FISA Madagascar ». Fifanarana ara-kasa izay efa nahazo fankatoavana teo amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Ny tanjon’ny fifanarahana dia mikendry ny hanamafisana ny rafitra fiarovana ara-pahasalamana eny ifotony eto Madagasikara, indrindra ny amin’ny faritra izay mbola voafetra ny fahazoana izany tolotra izany.
Ny roa tonta dia nifanaraka fa ny FISA Madagascar no hiantoka ny famatsiana ara-panafody sy ara-teknika ho an’ny fandaharanasa roa lehibe:
• Ny voalohany dia ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana: izay voafaritra ao ny fanentanana, fampahafantarana, ary fanomezana fitaovana sy fomba handrindrana ny fiterahana azo antoka sy maimaim-poana na vidiny mirary ho an’ny mpikambana ao amin’ny trano fiantohana.
-
Ny Fahasalamana ara-pananahana: izay manomboka amin’ny fikarakarana ny vehivavy bevohoka, fitsaboana aorian’ny fiterahana, fitiliana sy fitsaboana ny aretina azo avy amin’ny firaisana, ary fanabeazana ny tanora momba ny fahasalamana ara-pananahana.
Manana andraikitra goavana ny andaniny sy ny ankilany ;
Ho an’ny « Fédération Mutuelle de Santé MIARA MIAHY », amin’ny maha tambajotra tranom-piantohana lehibe azy, izay miparitaka manerana ny Faritra 22, ahitana tranom-piantohana ara-pahasalamana 11 no ao anatiny ; dia izy no hiandraikitra ny fampiharana eny ifotony. Hanentana ny mpikambana, hanamora ny fidirana amin’ny tolotra, ary hiara-hiasa amin’ireo tobimpahasalamana fototra sy CSB maro manerana ny faritra. Ny tanjona dia ny hampiditra ny tolotra fandrindrana ny fiterahana sy ny fahasalamana ara-pananahana ao anatin’ny « panier de soins » bologan-tolom-pitsaboana omen’ny trano fiantohana.
Raha ho an’ny FISA Madagascar kosa, amin’ny maha mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola azy kosa dia ny FISA no hamatsy ny filàna fototra: fanofanana ireo mpiasan’ny fahasalamana, fanomezana fitaovana ara-pitsaboana, famatsiana vokatra fandrindrana ny fiterahana, ny kalitaon’ny vokatra, ary fanohanana ny hetsika fanentanana sy fampahafantarana ho an’ny vahoaka.
Araka izany dia nohamafisin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka fa mifanaraka tanteraka amin’ny Paikady momba ny Fahasalamana sy ny tanjona « Fahasalamana ho an’ny daholo be» ity fifanarahana ity. Tanjon'ny Fitondram-panjakana ny fisitrahan'ny rehetra Fahasalamana satria zo fototra ho an'ny isam-batan'olona izany. Tafiditra ao anatin'izay ny tolotra tsara kalitao, ny famatsiana fanafody tsy tapaka eny amin'ny tobimpahasalamana.
Ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fikambanana iraisam-pirenena toy izao no vahaolana maharitra mba hampihenana ny tahan’ny fahafatesan’ny reny sy ny zaza, ary hampitombo ny fampiasana ny tolotra fandrindrana ny fiterahana eto amin’ny firenena.
Midika izany fa amin’ny alalan’ity fifanarahana ity dia :
• Hihena ny saran’ny fitsaboana ho an’ny fianakaviana mpikambana ao amin’ny MIARA MIAHY
• Hitombo ny fahafahana miditra amin’ny tolotra fandrindrana ny fiterahana sy fikarakarana ara-pananahana any amin’ireo faritra lavitra
• Ho matanjaka kokoa ny fisorohana amin’ny alalan’ny fanabeazana sy fanentanana maharitra
Ity fifanarahana ara-kasa ity dia maneho mazava fa azo atao ny fampifangaroana ny herin’ny fiarahamonina, amin’ny alalan’ny trano fiantohana ara-pahasalamana, sy ny fanohanana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika toy ny FISA.
Dingana iray mankany amin’ny fanatratrarana ny Rakotra ara-pahasalamana ho an’ny rehetra ny toy izao.
Ny Fitaleavana ny Serasera.Sary : Fisa Madagascar 17-sept.-2026