HETSIKA HO AN'NY FAHASALAMAN'NY SOFINA SY FIZARANA SOLOSOFINA.FIARAHA MIENTAN'NY MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA SY NY STARKEY HEARING FOUNDATION

Kaominina Analavory– Distrika Miarinarivo - Faritra Itasy

Miezaka hatrany ny Fitondram-panjakana ankehitriny amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka ny hametrahana ho an'ny vahoaka eny ifotony fa zo fototra ny fahasalama. Anisan'izany ny hetsika ara-tsosialy ho fizahana ny aretin'ny sofina sy fizarana solosofina maimaimpoana.

Notontosaina ny 16 septambra 2026, tao amin’ny Kaominina Analavory izany hetsika izany. Nanokatra tamin'ny fomba ofisialy, nisolotena an-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Andriamatoa Tale Jeneralin'ny Fisorohana ny ara-pahasalamana (DGMP) eo anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka notronin'ireo Olom-panjakana maro sivily sy miaramila avy tao amin'ny Faritra sy avy amin'ny Minisitera.

Niavaka tanteraka ny fandraisana an-tanana no sady nirindra sy nilamina na dia efa naherin'ny 500 aza ny olona noraisina an-tanana.

Nisy ny fampahafantarana ireo tolotra ho sitrahina sy ny dingana lalovan'ny tsirairay, fandraisana ireo mombamomba ny marary, fitiliana sofina, fanadiovana ny sofina raha ilaina izany, fanandramana ny lasitry ny sofina, fametrahana solosofina, fampianarana ny fikojakojana ny solosofina, fizarana ireo fitaovana fitehirizana ny solosofina ary fizarana vato aratra na "pile".

Tsy mijanona hatreo ny fandraisana an-tanana fa mbola hisy ny fanarahamaso ireo olona nahazo solosofina. Hita arak'izany fa dia ara-kalitao ny tolotra azon'ireo vahoaka, ka maro ny hafapo sy velom-pisaorana.

Tanjona amin’izao hetsika izao ny hisitrahan'ny vahoaka tolotra mipaka aminy mivantana sy mitondra fiovana amin'ny an-davanandrom-piainany. Ny fihainoana dia tena zava-dehibe satria anisany vavahadin-tsaina mampivelatra sy hahafahana mifandray.

Isaorana manokana ny "Foundation Starkey" izay mpiara-miombon'antoka, angady nananana sy vy nahitana ny hetsika. Mankasitraka hatrany ireo mpilatsaka an-tsitrapo na "volontaire" avy any amin'ny Faritra sy ny mpiasan'ny fahasalamana rehetra nandray anjara tamin'ny fanatontosana ny hetsika.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera. sary : DRSP ITASY - COMM. 17-sept.-2026