Fijerena ny maha-olona

Fanombohan’ny Fizarana Ratsam-batana Artifisialy ho an'ny Olona Manana Fahasembanana eto Madagasikara

Ny 12 novambra 2024 no nanombohana ny hetsika fizarana ratsam-batana artifisialy na "prothèses" tao amin’ny Jaipur Foot Camp, Andraharo. Ity hetsika ity dia tanterahina eo ambany fiahian-dRamatoa Mialy Rajoelina, miaraka amin’ny fanohanana avy amin’ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka, tarihin’ny Minisitra RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, izay miasa amim-pahavitrihana ho an’ny fanatsarana ny sehatra ara-pahasalamana ho an'ny vahoaka Malagasy. Hahazo tombontsoa amin’ity tetikasa ity ny olona manana fahasembanana miisa 500 manerana ny nosy ary haharitra 42 andro ny fanatanterahana azy.

Ny "Fikambanana Mahatsangy" sy ny fikambanana avy any Inde, Bhagwan Mahaveer Viklang Sahayata Samiti (BMVSS), no miara-mitantana sy manatanteraka ity tetikasa ity. Ankoatra ny fizarana prothèses, dia hisy koa ny fampiofanana ho an'ireo mpitsabo sy teknisianina ao amin’ny "Centre d’Appareillage de Madagascar" ao Befelatanana mba hanamafisana ny fahaiza-manaon’izy ireo amin'ny fanarenana na "rééducation.

Ho fanohanana ny olona manana fahasembanana dia efa nisy fepetra noraisin’ny fanjakana mba hanomezana fahafahana miditra amin’ireo fitaovana ilaina. Nanomboka tamin’ny taona 2011 dia efa nampiharina ny fanafahan-ketra amin'ny fadin-tseranana ho an’ireo ratsam-batana artifisialy, ary tamin’ny volana Aogositra 2021 no nampiatoana ny hetra TVA amin’ireo fitaovana ireo.

SCM/DIRCOM 12-nov.-2024

Zoom sur

Nos autres Activités