FITSIDIHANA SY FIDINANA IFOTONY - FANAMAFISANA NY FANADIHADIANA ARY NY VALIMBONTANA ARA-PAHASALAMANA TAO IFANADIANA

19 SEPTAMBRA 2026 | IFANADIANA – VATOVAVY

Tonga nidina ifotony Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, niaraka tamin'ireo Tompon'andraikitra mpiara miasa voakasika, nijery mivantana ny zava-misy ary nanamafy avy hatrany ny valimbotana ara-pahasalamana manoloana ny tranga voatatitra tao an-toerana.

Tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ampasinambo, Distrikan’i Ifanadiana, Faritra Vatovavy, no nanaovana izany fitsidihana izany, notron'i Solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy tao amin'ny Distrikan'Ifanadiana sy ireo vahoaka.

Natao ny fanadihadihana sy ny fizahana mivantana mba hahafantarana ny tena zava-misy sy entina ho fanamafisana ny fitsaboana ary handraisana ireo fepetra maika ilaina ho fiarovana ny vahoaka.

Nandritra izany, nisy ny fihaonana sy fifanakalozana tamin’ny vahoaka sy ireo Tompon'andraikitra tao an-toerana, ary ny fizahana ireo marary tao amin’ny tobim-pahasalamana. Marary miisa 31 no fantatra, ka ankizy latsaky ny 5 taona ny ankamaroany. Ahiahiana ny fisian’ny Kitrotro sy Tazomoka, hita amin’ireo fambara toy ny fanaviana, fivalanana, maso mena ary fambara aretin’ny taovam-pisefoana.

Efa noraisina ireo fepetra, anisan’izany ny fitsaboana ireo tranga sarotra, fandefasana fanafody, fampidinana ekipa mpitsabo za-draharaha amin'ny fitsaboana aretina mifindra, fanomanana fanaovam-baksiny manatona vahoaka, fanamafisana ny fandraisana andraikitr'ireo "mpanentana ara-pahasalamana", ary ny fandefasana ireo singa any amin’ny "Institut Pasteur" hatao fkarohana sy fitiliana lalina kokoa.

Ho fanamafisana ny valimbotana dia ekipa ara-pahasalamana manana traikefa marolafy ahitana mpitsabo manam-pahaizana manokana anisan'izany ny "pédiatres", no midina eny an-kianja. Hitondra sy hanampy ny fanafody, handray an-tanana ireo tranga mafy ary hanara-maso akaiky ny fivoaran’ny toe-draharaha ara-pahasalamana.

Manoloana ny hetahetan’ny mponina mikasika ny fanamafisana ny fotodrafitrasa, ny famatsiana fanafody ary ny fanamafisana ny mpiasan’ny fahasalamana, dia manamafy ny fahavononany hamaly ireo filàna eny ifotony ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Mitohy hatrany ny fanadihadihana, ny fitsaboana ary ny fanaraha-maso ho an'ny fahasalaman'ireo havantsika mandalo tsy fahasalamana, amin'ny alalan'ireo delegasiona mpitsabo izay efa mandamina any an-toerana ny mba hifehezana tanteraka ny toe-draharaha ao an-toerana.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera 19-sept.-2026