FANAMAFISANA NY FAMALIANA MANOLOANA NY TOE-DRAHARAHA ARA-PAHASALAMANA TAO AMPASINAMBO - FASINTSARA

Manoloana ny toe-draharaha ara-pahasalamana nampanahy any amin’ny Kaominina Ambanivohitr’i Ampasinambo - Fasintsara, dia efa ao anatin'ny fanomanana sy fivoriana maika ho fandrindrana ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin'ny alalan'ny rantsamangaikany niaraka tamin’ireo sampan-draharaha sy mpiara-miombon’antoka voakasika tao Ifanadiana.

Araka ny tatitra voaray teny ifotony, dia 18 ny fahafatesana voarakitra tao Fasintsara, raha 18 kosa tao Ampasinambo, ka 14 fahafatesana teny anivon’ny fiaraha-monina ary 4 tao amin’ny tobim-pahasalamana. Ao Ampasinambo ihany koa dia 64 ireo tranga ahiahiana voarakitra tamin'ny andron'ny 19 septambra.

Mbola mitohy ny fanadihadiana ara-pahasalamana, ny fakàna ireo singa, ny fikarohana mavitrika ireo tranga ary ny fanadihadiana momba ireo fahafatesana. Hatreto dia mbola tsy azo faritana ho aretina tokana ny anton’ireo fahafatesana, ary voalaza ihany koa ny fisian’ny aretina miara-miseho sy ny tsy fahampian-tsakafo amin’ireo tranga sasantsasany.

Efa napetraka ny toeram-pitsaboana, ho akaiky ny mponina, nohamafisina ny fanaraha-maso eny amin’ny CSB, sy fitsidihana isan-tokantrano ary atao ny fizarana fitaovana sy fanafody tena ilaina. Omena laharam-pahamehana manokana ireo olona marefo, indrindra ny zaza latsaky ny 5 taona sy ny vehivavy mitondra vohoka.

Ho fanamafisana ny valimbotana, dia nidina ifotony ny ekipa marolafy hanampy ny ao an-toerana, manomboka ny 20 septambra 2026, ahitana mpiasan'ny fahasalamana sy teknisiana avy amin’ny sampan-draharaha samihafa ary ny mpiara-miombon’antoka.

Ny Fitondram-panjakana sy ny mpiara-miombon'antoka aminy dia mametraka tanjona mazava dia ny hanamafisana ny fanaraha-maso, ny fanadihadiana, ny fitsaboana sy ny fandraisana an-tanana ireo marary, ary ny fifandraisana amin’ny vondrom-piarahamonina, mba hamaliana haingana ny filàn’ny mponina.

Mankasitraka ireo mpisehatra sy mpiara-miombon’antoka rehetra amin’ny fandraisana andraikitra sy ny fiaraha-mientana amin’izao toe-draharaha izao.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera - SDSP IFANADIANA COMM 20-sept.-2026