FASINTSARA, AMPASINAMBO, MAROHARATRA, SAKAVANA : HAVA-TIANA TSY MAHALAVI-TANY

Misy toerana izay tsy mora tratrarina. Misy lalana izay tsy vitan’ny fiara, toerana izay mbola mila dia an-tongotra andro sy alina. Misy ihany koa ireo toerana izay tsy ahitana tambazotram-pifandraisana akory, vitsy ny fotodrafitrasa, ary sarotra ny fahazoana sakafo sy kojakoja ilaina andavanandro.

Anisan’izany Fasitsara, Ampasinambo ary Maroharatra Distrikan’Ifanadiana, Faritra Vatovavy, 139 km raha refesina mahitsy avy ao Ifanadiana. Toerana lavitra sy saro-dalana izy io, iharan’ny fahasarotana noho ny rotsak’orana maharitra. Fotaka ny lalana, lava ny dia, Kodiaran-droa (Moto) no fitaovam-pitaterana afaka miditra ary tsy tonga hatrany an-tanàna akory izany fa mbola mandeha an-tongotra. Mandany fotoana andro aman'alina ny dia ary mampidi-doza sy manimba ihany koa ireo fitaovam-pitaterana ampiasaina.

Ao anatin’izany toe-javatra izany anefa, tsy tokony ho sakana amin’ny fahazoan’ny vahoaka fitsaboana sy fiarovana ara-pahasalamana ny halaviran-toerana. Fantatry ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa tsy mitovy ny zava-misy iainan’ny mponina rehetra. Miasa hatrany anefa ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, mitady sy mampifanaraka ireo vahaolana azo ampiasaina amin’ny zava-misy eny an-toerana, mba hahatonga ny fikarakarana ara-pahasalamana ho akaiky ny vahoaka, na dia any amin’ireo toerana sarotra tratrarina aza.

Rehefa tsy afaka mandeha amin’ny lalana mahazatra ny fitaovana, dia ampiasaina ireo teknolojia sy fitaovana maoderina afaka mamaly izany filàna izany. Anisan’izany ny fampiasana drone, teknolojia natao indrindra hanampiana amin’ny fitaterana fanafody sy ireo ilaina amin'ny fitsaboana any amin’ireo toerana tena saro-dalana. Misy koa ireo fanamafisana ireo mpitsabo efa any an-toerana, fametrahana toeram-pitsaboana ho akaiky ny mponina sy fanaraha-maso ny fahasalaman'izy ireo akaiky, ny fandraisana an-tanana ireo marary sy fitsidihana isan-tokantrano ary indrindra ny fizarana fitaovana sy fanafody tena ilaina.

Manoloana ny fisian’ny valan’aretina, dia zava-dehibe ny fandraisan’ny tsirairay andraikitra amin’ny fiarovana ny fahasalamana. Anisan’ny fiarovana mahomby ny fanaovana vakisiny, indrindra ho an’ireo ankizy madinika izay marefo kokoa manoloana ny aretina. Antsoina araka izany ny ray aman-dreny sy ny fianakaviana mba hanararaotra ireo tolotra ara-pahasalamana sy hanao vaksiny ireo zaza, satria ny vaksiny dia tsy fiarovana ny zaza ihany, fa fandraisana anjara amin’ny fiarovana ny ankohonana sy ny fiarahamonina iray manontolo.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera 21-sept.-2026