FAHASALAMANA HO AN’NY MASO HO AN’NY 40 TAONA NO MIHOATRA : FIZARANA SOLOMASO - FAMAKIANA TENY MAIMAIMPOANA
CHRD Antanifotsy
FAHASALAMANA HO AN’NY MASO HO AN’NY 40 TAONA NO MIHOATRA : FIZARANA SOLOMASO - FAMAKIANA TENY MAIMAIMPOANA
CHRD Antanifotsy
Tontosa ny 21 septambra ny fanombohana ny hetsika lehibe ho an’ny fahasalaman’ny maso, nokarakarain’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, tamin’ny alalan’ny DRSP Vakinankaratra, niaraka tamin’ny Doctors For Madagascar (DFM), ho an’ny vahoakan’Antanifotsy.
Zava-dehibe amin’ny fiainana an-davanandro ny fahitana tsara, lafo nefa ny vidin'ny solomaso ka tombontsoa lehibe ho an’ny mponina ny fisian’ny hetsika sosialy tahak'izao. Nisy koa fitiliana tosi-drà sy diabeta, izay aretina be mpahazo ireo sala-taona ireo mba ho fisorohana sy fanentanana.
Notarihin’ireo tompon’andraikitra sy olo-manankaja ny lanonana fanokafana :
-
Andriamatoa Solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy tao amin'ny Distrikan'Antanifotsy
-
Ramatoa Lehiben’ny Faritra
-
Ramatoa Chef District Antanifotsy
-
Ireo olo-manankaja maro
-
Ary indrindra ireo mpiasan’ny fahasalamana, notarihin’Andriamatoa Talen'ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Vakinankaratra.
Afa-po ireo mpisitraka miisa 800 mahery izay nahazo tombontsoa tamin’ity fotoana ity.
Ary mbola mitohy ny hetsika!
Ho an’ny 22 septambra 2026, dia ao amin’ny CSB Il Ambohimandroso indray no hanatanterahana izany.
Fisaorana manokana no atolotra ny Fitondram-panjakana tarihin'Andriamatoa Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara Kôlonely RANDRIANIRINA Michaël, ny amin'ny fampiroboroboana ny fiaraha mientana amin'ny lafin'ny fahasalamana, fa indrindra ho an'ireo rehetra nifarimbona tamin’ny fanatontosana izao hetsika izao na ireo avy amin’ny Sampan-draharaham-panjakana, na ireo mpiara-miombon'antoka Doctors Fur Madagaskar, ny amin'ny fiaraha-miasa sy ny fandraisana anjara amin’ny fanatsarana ny fahasalaman’ny vahoaka.
Satria mendrika ny hahita tsara ny tsirairay.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera.DRSP VAKINANKARATRA - SDSP ANTANIFOTSY COMM. 22-sept.-2026