FANATSARANA SY FANAMAFISANA FAHAIZA- MANAO SY TRAIKEFA MAHAKASIKA NY ADY AMIN'NY FIHINANANA PARAKY SY FIFOHANA SIGARA.

Ny ady amin'ny fifohana sigara, fihinana paraky Ary fidorohana zava-mahadomelina dia azo lazaina fa andraikitra iombonana sy mampivondrona sehatra maro ara-panjakana sy Fikambanana. Raha ny rafitra misahana izany eto anivon'ny foibe no resahana, dia manana rantsamangaikany isam-paritra atao hoe "Comité Régional de Lutte Antitabac".

Ho fandrindrana ny asa eny ifotony dia niaraka nikaon-doha ny 18 septambra 2026 izany Komity Rezionaly Miady amin’ny Paraky izany (Comité Régional de Lutte Antitabac) tao amin'i Faritra Anôsy.

Ny tanjona sy lohahevitra dia nampahafantarina ny rehetra nandritra izany ny momba ny fampitomboana sy fanamafisana ny fahaiza-manao (renforcement des capacités) sy fanentanana iarahana amin'ny OFNALAT (Ofisy Nasionaly miady amin'ny Paraky sy ny zava-mahadomelina). Izao dingana izao dia entina miaro ny fahasalamam-bahoaka sy ny tanora ao amin'ny Faritra Anôsy.

Izay nahitana ny avy ao amin'ny :

  • Faritra Anôsy.

  • Fileovan'ny Taolagnaro.

  • Kominina ambonivohitry ny Taolagnaro.

  • Kaomandin'ny Brigade-n'ny Infanterie ao Tolagnaro.

  • Fitalevam-paritry ny Fanabeazam-pirenena Anôsy.

  • Fitaleavam-paritry ny Fahasalamàm-bahoaka Anôsy.

  • Solotenan’ny Hôpitaly (CHRR) Philibert Tsiranana ao Taolagnaro.

  • Solotenan'ny Lehiben'ny Sampandraharahan'ny Fahasalamana eo anivon'ny distrikan'ny Taolagnaro.

  • Ireo solontenan'ny OMS.

Ny hetsika mampivondrona ny sehatra marolafy tahak'izao dia anisan'ny paikady napetraky ny Fitondram-panjakana, entina hampivondrona ny ezaka rehetra ho fanamafisana ny sehatry ny fisorohana sy fahampafantarana ny vahoaka ny amin'ny maha zava-dehibe ny fifanampiana ho an'ny fahasalamam-bahoaka.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana serasera - DRSP ANÔSY - COMM. 22-sept.-2026