MANOME RÀ, MANOME AINA
CHRR TSIROANOMANDIDY - DSRP BONGOLAVA
Ao anatin'ny ankalazana ny faha 65 taona nananganana ny Polisy Nasionaly teto Madagasikara, tsy nanadino izany isika tao amin'ny Faritra Bongolava.
Nanamarihana ny fankalazana izany ny androny 21 septembre 2026, dia Tonga tao amin'ny CHRR Tsiroanomandidy izy ireo nanome rà, notarihin' Andriamatoa Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka tao Bongolava.
Nandray azy ireo ary nisaotra nohon'ny fiaraha-miasa eo amin'ny famonjena aina ny Tompon'andraikitra ara-pahasalamana tao Bongolava.
Ny fiaraha mientana tahak'izao dia anisan'ny sehatra iray entin'ny Fitondram-panjakana hampiroboroboana ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka fa indrindra ho fanentanana ny isam-batan'olona satria andraikitra iombonana ny fitsinjovana ny Aina.
MIASA MIARAKA ISIKA HO AN'NY FANOVANA MANASITRANA NY FIRENENA .
Ny Fitaleavana ny Serasera - DRSP BONGOLAVA - COMM. 23-sept.-2026