FIZARAM-BAOVAO NALAINA TAO AMIN'NY PEJIN'NY DRSP VATOVAVY

FIARAHA-MIENTANA HO AN’NY FAHASALAMANA

Mankasitraka ny Polisim-pirenena tao Mananjary, notarihin’ny Lehiben’ny Fitaleavam-paritra Vatovavy, noho ny fandraisana anjara tamin’ny fanomezan-dra ny andron'ny 22 septambra 2026, tao amin’ny CHRR Mananjary.

Mpandray anjara an-tsitrapo 25 no nanome rà, ka 23 poches no voaangona.

Ny Fitondram-panjakana dia mampirisika ny firaisankina sy fandraisana andraikitra tahak'izao, ny amin'ny fanomezan-drà, satria mamonjy ain’olona maro.

Manentana ny sampandraharaha sy ny mpiasa eto amin’ny renivohim-paritra, handray anjara amin’ny fanomezana rà an-tsitrapo ny Tompon'andraikitra ao an-toerana.

Rehefa manome rà ianao dia :

Mamonjy aina.

Manampy amin’ny fitazonana tahiry rà ampy.

Mahazo fitiliana ara-pahasalamana araka ny fepetra mihatra.

Maimaim-poana.

Ny Tanjona : Hanana tahiry rà ampy sy azo ampiasaina hatrany ho an’ireo marary mila izany ny ao Mananjary.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera. Sary : DRSP VATOVAVY - COMM. 22-sept.-2026