FITONDRAM-PANJAKANA MIAHY SY AKAIKY NY VAHOAKA - AMPASINAMBO
Ho fanohanana ireo mpiasan'ny fahasalamana, miatrika fizahana ara-pahasalamana sy fitsaboana, dia nandefa fanampiana toy ny : rano fisotro sy sakafo ary fanafody ho an'ny vahoaka, ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, ny Minisiteran'ny Foloalindahy (amin'ny fitaterana : ny angidimby) sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy.
Ao anatin'ny fotoana tahak'izao no fanehoana Ilay hoe : miasa miaraka ho an'ny fanovana, izay teny filamatran-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira, satria tsy mahatsiaro tena ho irery ireo mpisehatra ara-pahasalamana rehetra mamita iraka any an-tany lavitra ary, etsy ankilany manamafy ny fiahina ho an'ireo havantsika mandalo tsy fahasalamana any amin'ity toerana saro-dalana ny fandraisana andraikitra tahak'izao.
Mankasitraka hatrany ireo mpiasan'ny fahasalamana amin'ny famonjena ny aina ary mankahery ny fianakaviana izay mbola miatrika fitsaboana amin'izao fotoana izao.
Ny Fitondram-panjakana dia midera ny fahavononan'ny Mpikambana ao amin'ny Governemanta, ny sampan-draharaham-panjakana, ny Fikambanana ary ny mpiara-miombon'antoka aminy rehetra ny amin'ny finiavana nasehon'izy ireo, tamin'ny fifanampiana nentina niarovana ny Ain'ireo havantsika tao Ampasinambo.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
Ny Fitaleavana ny Serasera. 23-sept.-2026